Resaka voizina amin’izao ny hoe “ni…ni…” mba hisakanana ireo kandida atahorana na dia milaza aza ny fanjakana HVM fa tsy misy ny sakantsakana rehefa mahafeno fepetra.
Mandeha ihany ny kajikajy mamohehatra isan-karazany. Anisan’ny sakana sy resahina foana fa mbola enjehin’ny fitsarana i Marc Ravalomanana, ka tsy afaka ny hirotsaka hofidiana amin’ny taona 2018. Fitsarana mitanila efa tamin’ny andron’ny tetezamita no nanamelohana azy, ary heloka tsy mitombina fa kajy politika avokoa no antony, ary porofon’izany izy mbola miriaria toy ny olom-pirenena rehetra io. Raha ny fikaroham-baovao natao ihany koa dia voalaza fa madio tsara ny “caget judiciaire”-n’ity filoha teo aloha ity fa tsy arakaraka ny resaka voizina etsy sy eroa, ary efa matetika izy no naka izany teny amin’ny fitsarana raha ny vaovao azo. Ho an’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina kosa, dia sarotra ho azy ny handray anjara amin’ny hazakazaky ny fifidianana 2018, raha ny lalàna iraisam-pirenena no arahina. Mbola mitatao eo an-tampon-dohany mantsy ny voaraikitry ny Fifanarahan’i Cotonou, izay mandrara sy manenjika ireo olona tompon’antoka tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana. Tsy tokony ho afaka mirotsaka hofidiana ny olona efa maloto tamin’ny fandrombahana sy fakana fahefana tamin’ny fomba tsy ara-demokratika, ka izay no mety hahataraiky tanteraka an’i Andry Rajoelina, na dia niteny aza izy herinandro vitsy lasa izay fa tsy hisy hahasakana azy. Tsy hay anefa izay mety haloaky ny fifampidinihana sy ny fifanarahana politika mety hiseho, fa raha ny loharanom-baovao iray, dia mety hisy ny dinika hifanaovan’ireo mpitodra nifanesy miisa 5 mirahalahy izay ahitana an’i Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina hatao any Frantsa ny volana martsa izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.