Efa tena ambany ny fitiavan’ny vahoaka ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM antokon’ny fitondrana.
Sokajian’ny maro ho tsy ao anaty tabilao izy ireo amin’ny fifidianana hatao ny taona 2018 na dia milaza ho antoko matanjaka aza. Saika mersenera politika sy mpibizina avokoa ny manodidina ny filoha am-perinasa, ary ny resaka tombontsoa no tena nidiran’ny ankamaroany ho ao anatin’ny HVM mba hahazoana toerana, ka tsy olana ny mody mikiravaty manga rehefa mahazo seza sy vola aman-karena. Efa manomboka mikopa-kelatra kosa anefa ny sasany ary mitady izay hamaharana satria lany ny mamin’ny HVM. Na ny olona mety hanohana azy ireo aza dia ny vola ihany no mikaonty, ary niaraha-nahita ireny fomba fanao mamohehatra amin’ny fividianana olona, toy ny fanatrehana ny matso etsy Mahamasina isaky ny fanamarihana ny fetim-pirenena rehefa 26 jona ireny, izay tsy mbola nisy hatramin’izay, izany hoe tsy ny foto-kevitry ny filoha mihitsy no hanohanan’ny olona azy fa ny vola atosany, ka tsy manana mpanohana tena mahatoky ny HVM. An-kilany, sokajiana ho mbola matanjaka sy manana olona i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Hatreto, tsy mbola misy olona tena mahazaka vahoaka ankoatra azy roalahy, ary ny tena mampiavaka azy ireo dia manohana amin’ny alalan’ny foto-kevitra ny mpomba azy ireo, izany hoe olon’ny foto-kevitra, ka havitsiana no mety hivadika. Toa efa voasivan’izy ireo ihany koa ny olona akaiky azy ireo ao amin’ny antokony avy dia ny TIM sy ny MAPAR, izay efa hitany fa nifikitra hatramin’ny farany ary namadika palitao. Tombanana fa izy ireo no hanao ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha havela hilatsaka an-kalalahana.
Kapa ranjo
Mbola mikendry ny hitondra fanindroany an’i Madagasikara ny HVM, saingy tsy ho tanteraka raha mbola eo i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Mbola baraingo anefa hatreto ny famelana azy ireo hirotsaka an-kalalahana, ary mandeha ny kapa ranjo isan-karazany hoenti-misakana, toy ny resaka fanenjehana ara-pitsarana. Kajy anankiray ihany koa ny hoe tsy hirotsahan’i Hery Rajaonarimampianina, ka hoterena hanaraka azy ihany koa izy roalahy ireto raha toa ka tsy hahomby ny fanenjehana ara-pitsarana kotrehina mafy hoenti-misakana azy ireo. Ho an’i Marc Ravalomanana manokana dia efa antsojay hatao azy amin’ny fifidianana 2018 ny tsy famelana ny fisokafan’ny orinasan-tserasera MBS mandrak’androany.
Toky
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.