Ho gidragidra no hiseho eto Madagasikara amin’ny 2018 mandritra ny fifidianana raha tarafina amin’ny toe-draharaha ankehitriny.
Fanombohan’izany ny zava-nisy tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny 31 jolay 2015 sy ny fifidianana Loholona tamin’ny 29 desambra 2016, izay efa nahitana korontana maro noho ny tsindry aloka isan-karazany nampandresena ny kandidam-panjakana. Efa mandeha ny kajikajy rehetra entina hamelezana ireo mpifaninana atahoran’ny mpitondra amin’ny fifidianana ho avy. Vita iny ny lalàna mifehy ny serasera tsy ahafahana mamoaka ny vaovao marina. Mbola vao iny no vita dia efa mafana ny toe-draharaha maika fa ho raikitra eo koa ny lalàna mikasika ny fananganana ny fitsarana ara-ketra sy ara-toekarena entina hamelezana ireo mpandraharaha, indrindra ireo mpanao politika. Izao anefa dia atao izay tsy hahafahan’ny herivelona eto amin’ny firenena hihetsika hahafahan’ny fanjakana manjaka tokana sy mandresy amin’ny 2018 ka anisan’ny efa mahazo ny anjarany ny mpanao politika. Hofehezin’ny herim-pamoretana mbola ianteherany ve raha hiara-hitroatra avokoa ireo herivelona rehetra ? Tsy hay koa izay hafitsok’ireo mpanao politika efa iharan’ny antsonjay toa an’ny Loholona Lylison sy ry Alain Ramaroson aorian’izao fanenjehana mahazo azy ireo. Mitatao eo an-tampondohan’ny mpitondra avokoa izany kanefa raha izao fombany izao dia tsy hanaiky hiala mora eo amin’ny fitondrana izy ireo na ho resy amin’ny fifidianana aza.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.