Samy miketrika mafy ireo heverina ho kandida amin’ny taona 2018. Ao ny mpanao politika ary ao ny mpandraharaha.
I Marc Ravalomanana, dia vonona tanteraka sy mahatoky fa ho azo ny fandresena, ary vao tsy ela akory izay no nahazo fitokisana avy amin’ny mpila ravinahitra any Eoropa amin’ny fanampiana azy amin’ny lafiny rehetra, ny vola misy fa ny handaniana azy no manahirana hoy ny firesany nahafantaran'ny olona azy. Eo ihany koa ny filoha am-perinasa, izay efa niarahan’ny rehetra mahita amin'ny fomba fiadiny fa manana atokona betsaka izy raha vola no resahana. Mangina i Andry Rajoelina ary mbola tena iharan’ny antsojain’ny mpitondra ankehitriny, saingy tombanana ho efa niomana ihany koa ary voalaza fa anisan'ireo tena mpanefoefo aty Afrika. Mpandraharaha ihany koa ary anisan’ny mpampiasa vola any Dubaï izy sy i Ny Rado Rafalimanana, izay efa saika hirotsaka ny taona 2013, fa voasakana ka amin’ity vao mety tafiditra ho mpifaninana. Efa mihetsiketsika Ihany koa i Edgard Razafindravahy, izay tombanan’ny maro ho efa mampahafantatra tsikelikely ny tenany amin’ny hirotsahany, ka manao fitsidiham-paritra matetika. Na tsy re feo aza i Roland Ratsiraka, dia vaoalaza fa efa tena miketrika mangina ary efa tena nanangom-bola fatratra, ka isan’ny nataony fitaovana tamin’izany ny minisitera iadidiany. Miketrika mafy ihany koa i Hajo Andrianainarivelo, izay efa avy praiminisitra lefitra tamin’ny andro tetezamita ary nanangana ny laharana faha-3 izy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany. Efa nitady ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra teny amin’ny antenimiera izy saingy tsy nahita rirany mandrak’androany. Mivoaka ny anaran’i Orlando Robimanana, fantatra tamin’ny naha Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana azy nandritra ny 5 taona saingy nalan’ny fanjakana teo amin’ny toerany ny taona 2015. Midika zavatra be ny andraikitra notanany, ary efa ela no re fa isan’ny kandida izy. Efa nirotsaka ho kandida i Saraha Rabeharisoa ny taona 2013, ary re fa mbola ho isany ihany. Mpandraharaha ny tenany, ary efa nahita lesona tamin’ny fifidianana, ka heverina ho efa nanomana. Manaraka kosa ny Pasitera Mailhol, mpitarika antokom-pivavahana ary efa nilaza fa hapetraka eo amin’ny fitondrana. Manohana azy ny mpivavaka tarihiny ary voalaza fa efa ela no niomana fatratra ara-bola ny tenany. Olana amin’ity resa-pifidianana ity ny lalàna na dia efa maro aza no vonona. Ny resaka fampiasam-bola dia tokony hazava sy hangarahara, mba hisian’ny lalao madio; efa nilaza ihany ny praiminisitra fa tokony hovaina aloha ny lalana mifehy ny fifidianana izay vao irosoana ny fifidianana, koa dia ho hita eo fa hatramin'izay aloha dia ny be vola sy ny tsara tohana hatrany no nandresy teto Madagasikara e.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.