Hatreto aloha dia lohalaharana hatrany amin'ny fahazoana ny fandresena amin'ny fifidianana 2018 i Marc Ravalomanana raha ny tsapan-kevitra amin'ny tranokala no jerena.
Laharana faharoa i Andry Rajoelina, kandida hafa no laharana fahatelo ary any amin’ny laharana faha-efatra ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina. Raha ny vokatra ao amina tsapan-kevitra iray ao anatin’ny tranonkala www.tananews.com mantsy dia toy izao ny vokatra farany omaly 14 martsa tamin’ny 8 ora alina: Mpifidy 837, ka Marc Ravalomanana nahazo 627 (75%); Andry Rajoelina 103 (12%) Hafa 85( 10%) ary Hery Rajaonarimampianina 20 , izay tsy manome afatsy (2%). Mbola mitohy ny fitsapan-kevitra saingy inoana fa tsy hiova firy ny vokatra. Marina fa tsy mbola tena fifidianana mivantana io saingy efa azo amintinana ihany ny zava-misy sy ny mety hitranga any aoriana. Porofo mivaingana izao fa efa tena tsy ankasitrahan’ny Malagasy ny filoha ankehitriny sy ny fomba fiasan'ny ekipany ary lojika be izy raha resy amin'ny fifidianana manaraka eo .Miezaka maka ny fon’ny vahoaka Rajaonarimampianina saingy hita ho mikaviavia amin'ny resaka serasera, ny olona rahateo efa tsy resy lahatra; mibaribary be rahateo etsy ankilan'izay ny antsojay sy sakantsakana isan-karazany atao amin'ireo kandida sokajiana ho matanjaka ka vao miha mahatezitra ny olona izany. Maro ny mpandinika raharaha politika sy ny mpanara-baovao no efa mahita fa mety kokoa ho an'i Hery Rajaonarimampianina ny manaja tena tahaka ny filoha Frantsay Franw5;ois Hollande ka tsy mirotsaka ho fidiana intsony amin'ny 2018, raha tsy te ho afa-baraka .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.