Mbola mitady hametraka ny fanjakazakany eto Madagasikara hatrany ny Frantsay sy ny vondrona tandrefana amin’ny ankapobeny, hoy ny fikambanana Asandratro ny Fireneko.
Manaporofo izany ny fitsabahan’ireo vondrom-paritra sy fikambanana iraisampirenena toy ny Sadc, ny Vondrona eoropeanina na koa ny Firenena mikambana amin’ny raharahan-tokantranon’ny firenena Malagasy. Tsy kisendrasendra velively mantsy ny fandraisantsika ny fivoriamben’ny Comesa (Common Market of East and Southern Africa) manomboka amin’io herinandro io na koa ny fihaonana tampon’i Frankofonia amin’ny volana novambra. Fototry ny tsy filaminana mitoetra eto amin’ny firenentsika ny fifandonana tombontsoan’ireo tany matanjaka sy vaventy manankarena. Afaka maneho ny fomba fijeriny ny zava-misy eto Madagasikara ny sehatra iraisampirenena fa tsy anjarany kosa ny misakana ny fiaraha-monina Malagasy hiroso amin’ny fifidianana mialohan’ny taona 2018. Fisolokiana tsotra izao ny fahefam-bahoaka ny fijanonan-dRajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana hatramin’ny taona 2018. Tsy maintsy ho olon’ny frantsay na avy amin’ny vondrona tandrefana moa no ho lany aorian’io sarintsarim-pifidianana io, araka ny fanehoan-kevitry ny ekipan’ny profesora James Ratsimba.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.