Efa samy mikajy ny fifidianana 2018 ny mpanao politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka na ny mpitondra ankehitriny aza dia efa manana ny kajiny.
Misy anefa ny vondrona politika sy vondron’olona matanjaka mikendry izay hahatafidiran’ny olony ao anaty governemanta raha raikitra ny fanovana.
Hikendry ilay resaka “ni…ni…” na ilay paikady hanakanana ny firotsahana kandida vitsivitsy anefa no tena tanjona, fa mody miaraka amin’ny fitondrana aloha. Misy olona ao anaty fitondrana ary misy aza ao an-dapa manodidina ny filoham-pirenena mihitsy no voalaza fa tafiditra ao anatin’izany. Ireo vondron’olona ireo ihany no efa niasa mafy tamin’ny fanaovana io “ni…ni…” io tamin’ny taona 2013. Anisan’ny kajiana ao ny tsy hamelana an-dRajaonarimampianina hirotsaka, toy ny natao tamin’i Andry Rajoelina ny taona 2013 sy ny tany Frantsa vao tsy ela, izay tsy nirotsahan’i François Hollande intsony. Ho raikitra ny mody fanehoan-kevitra politika manaratsy sy manamavo ny HVM rehefa antomotra ny fifidianana, ka hambara fa efa nialana nenina ny fitondrana ankehitriny saingy tsy nety niova sy tsy nety tonga saina, ka tsy afaka ny hiray tsikombakomba amin’ny fitondrana tsy mihaino ny feom-bahoaka izahay. Asisika amin’izay ny resaka hoe rehefa tsy milatsaka hofidiana ny filoha am-perinasa dia tsy mahazo milatsaka koa ireo filoha teo aloha, dia mihintsana ho azy i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’izay.
Hampisongadin-tena
Hivoaka toy ny olo-marina sy madio izy ireo avy eo ary hanao toy ny nataon’i Hery Rajaonarimampianina mody niala tampoka tamin’ny TGV an’i Andry Rajoelina na tahaka ny nataon’i Emmanuel Macron tany Frantsa, izay niala tao anaty fitondrana avy eo ireo vondrona ireo miady mafy amin’ny “ni…ni…”. Handeha irery amin’izay amin’ny fifidianana ary efa miketrika mafy sy te hanararaotra ilay kolontsaina ambara ho fahalemen’ny Malagasy hoe: “Tia vao”. Ny zava-misy anefa dia ny teo ihany no mody miova anarana sy mamorona antoko vaovao. Toy izany hatrany ny kolontsaina nentina nanambaka vahoaka teto hoe olom-baovao. Nisongadina izany nandritra ny raharaha fanonganam-panjakana 2009, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia niseho ihany ny goaika antitra mpamadika palitao sy efa nitety vanim-potoana tamin’ny fitondrana firenena. Mbola niseho ihany koa tamin’ny nahalanian’i Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.