Politique

Fifidianana 2018 Efa mipetrapetraka ny hala-bato ?


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Tsy ankasitrahan’ny mpanohitra any Tiokia sy ny mpanara-maso avy amin’ny vondrona Eoropeanina ny vokatry ny fitsapankevi-bahoaka natao tany an-toerana ny alahady 16 aprily teo, ka nivoahan’ny “Eny” ho mpandresy tamin’ny alalan’ny isa 51,4%, izay voalaza fa feno hosoka.

Mifototra betsaka amin’ny fanamafisana ny toeran’ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan ny fifidianana natao. Tsara fifandraisana amin’ity filoha Tiorka ity ny fanjakana HVM ary nahazo fanasana tamin’ny fifidianana natao ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Hery Rakotomanana, ka resaka fifanakalozana traikefa eo amin’ny tany roa tonta amin’ny resaka fifidianana no antony. Mampametra-panontaniana hoe traikefa eo amin’ny fanerena ny vahoaka hanaiky ny jadona sy kajy maloto amin’ny fifidianana ve izany no hifanakalozana ? Maro mantsy no tsy mankasitraka ny fifidianana tany Tiorkia ary an’arivony no nidina an-dalambe. Naka traikefa amin’ny hampandaniana ny kandidam-panjakana amin’ny 2018 ve ny CENI ? Efa hatry ny ela ny sehatra iraisam-pirenena no nitaky fifidianana mangarahara, ary ahiana ny krizy vaovao raha toa ka ho tanteraka tokoa ny ahiahin’ny maro fa ho halatra bevava no hiseho eto. Afaka mampanantena ve ny CENI fa hangarahara tokoa ny fifidianana ho avy ? Hanaiky ho tompon’andraikitra sy hahasoroka ny krizy ve ity vaomiera ity raha mizotra mankany ny tantara noho ny toe-javatra tsy mangarahara ? Mila mazava ny zava-drehetra, toy ny tena isan'ny mpifidy marina, izay voalaza fa 9 022 918 taorian’ny fanisana farany nifarana ny 15 aprily lasa teo. Any amin’ny fanaovana ny lisi-pifidianana no manomboka ny halabato ka tokony hazava tsara ny mikasika izany. Tokony ho matotra ny fomba fiasa fa tsy ny olona indray no homena tsiny hoe tsy nijery ny anarany tao anaty lisi-pifidiana. Tsy afaka miasa miaraka amin’ny fokontany mihitsy ve ny CENI amin’io fanisana mpifidy io ? Mikasika ny kara-pifidianana, ohatra, dia mampametra-panontaniana ihany koa hoe tena ilaina ve izy io ? Mampiahiahy tanteraka ny zava-misy ary efa mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa misy ny fanivanana ny olona omena io kara-pifidianana io. Tsy manan-kery ve raha kara-panondrom-pirenena fotsiny ? Mampiahiahy be ihany ny zava-mitranga satria ahitana taratra fa misy ny omena tombony ary misy kosa ireo tratran’ny antsojay sy kapa vava-ranjo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT