Politique

Fifidianana 2018 37,5 miliara Ariary no ilaina


  • Talata 21 Febroary 2017

Tontosa omaly tolakandro teny amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleotena mpikarakara ny fifidianana (CENI) eny Alarobia ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ho fanohanana ireo fifidianana eto

 amintsika vatsiana vola amin'ny alalan'ilay tetikasa PACEM iarahana amin’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana na ny PNUD. Nisolotena ny CENI  ny filohany Hery Rakotomanana, teo ihany koa ny minisitry ny vola Gervais Rakotoarimanana ary ny mpandrindra ankapobeny ny asan’ny firenena mikambana sady solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara Rtoa Violet Kakyomya. Nanatrika ny lanonana ihany koa ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly. Nandritra io fotoana io no nilazan’ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana fa 12 tapitrisa dolara na 37 560 000 000 ariary ny tetibola tratrarina hoenti-miatrika ny fifidianana 2018. Nilaza kosa ny praiminisitra Mahafaly Olivier fa ezahina ny hameno 10 tapitrisa ny isan'ny mpifidy amin’ny alalan'ny fanaovana ny hetsika fitsarana mitety vohitra. Mbola hiakinan-doha amin’ny vahiny ny resaka famatsiana ara-bola ny fifidianana eto amintsika fa tsy vitan’ny samy Malagasy. Anisan’ny miteraka olana io satria matetika dia misy fiantraikany any amin’ny fifidianana ilay dian-tanan’ny vondrona iraisam-pirenena.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT