Politique

Fifidianana 2013 Very an-javony ireo fitoriana


  • Zoma 02 Septambra 2016

Telo taona taorian’ny nametrahana fitoriana mikasika ny fahalotoan’ny fifidianana tamin’ny taona 2013 miisa 600 mahery dia nanambara ny mpisolovava, Rakotomalala Rija, anisan’ny nanara-maso ireo fitoriana.

Tsy fantatra hatramin’izao ny tohin’ny fandinihana iny raharaha iny, hoy izy. Tonga teny amin’ny tribonaly Anosy ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, omaly, nametraka ny fangatahana teo anivon’ny lehiben’ny Fampanoavana ny mba hiheverana ny fitorian’izy ireo sy ny hampiharana izay mety ho fanapahan-kevitra mivoaka ao amin’ny fitsarana manokana mikasika ny fifidianana.

Nombana porofo

Araka ny nambarany dia nombana porofo avokoa ireo fitoriana napetrak’izy ireo teo anivon’ity Fitsarana manokana misahana ny fifidianana tamin’ny 2013. Anisan’ireo fitoriana nivaivay ny halatra sy tsy fanajana ny lalàna mikasika ny fifidianana izay mety hampigadra enim-bolana ka hatramin’ny telo taona ary handoavana lamandy. Teo koa ny fanodinkodinana fananam-bahoaka hoentina hampielezan-kevitra ankoatra ny resaka fividianam-bato sy ny fanerena mpiasam-panjakana hanao fampielezan-kevitr’ireo kandidam-panjakana. Tao koa ny fanaovan’ireo olobem-panjakana tamin’ny fotoan’androny fampielezan-kevitra ho an’ny kandidam-pitondrana hatrany ary mety hampigadra 1 ka hatramin’ny 5 taona sy/na lamandy.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT