Hotazonina ny datim-pifidianana efa voafaritra niaraka tamin’ny firenena mikambana tamin’ny aogositra 2012 sa harahana ny soso-kevitry ny filohan’ny FAT ? Amin’ity herinandro vaovao ity no fantatra ny valin’izay.
Mialoha ny 08 mey no hamoahan’ny CENI-T sy ny mpiara-miombon’antoka vahiny raha ny fifidianana solombavambahoaka no halefa aloha na ny fifidianana filoham-pirenena ihany. Ny 08 feboary mantsy no fe-potoana farany hamoahan’ny governemanta ny didim-panjakana iantsoana ny mpifidy raha voatazona ihany koa io datin’ny 08 mey io. Mivory manomboka anio handinika io soso-kevitr’i Andry Rajoelina io rahateo ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana.
Taorian’ny fanambarana iraisana nataona vondrona politika 5 ny zoma lasa teo izay mitazona ny fanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha dia miezaka mandresy lahatra ny maha tsara ny fandrosoana ny fifidianana solombavambahoaka ireo mpanohana mahafatrapo an-dRajoelina. Lohalaharana amin’ireny ny rahalahin’ny amiraly Ratsiraka, ny minisitry ny angovo teo aloha Elysé Ratsiraka. Manizingizina ity farany fa voahaja ny safidim-bahoaka raha ireo depiote no fidiana mialoha. Mampilamin-javatra koa, hoy izy ny fihodinana iray monja sady hisorohana ny fanarahan’ny mpifidy be fahatany ny antokon’ny filoha lany eo izany. Mitovy hevitra aminy koa i Kaleta izay fanta-daza amin’ny fisolelahana amin’izay filoha am-perinasa ka anisan’ny mpomba an-dRajoelina koa ankehitriny. Mba tsy hisian’ny fanarahan-kefa fotsiny dia aleo ny depiote fidiana, hoy izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.