Nanamafy ny minisitry ny Atitany Florent Rakotoarisoa fa na ireo minisitra aza tsy mbola mahalala izay fifidianana hatao mialoha hatramin’izao.
Ny zavatra atao, araka ny nambarany manoloana ireo mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia ny hoe atao vonona daholo ireo lalàna sy rijan-teny momba ny fifidianana rehetra amin’izay tsy misy olana intsony na inona na inona fifidianana hatao eo. Ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy lehiben’ny Faritra dia tsy midika velively fa tsy maintsy izany no hisantarana ny fifidianana eto, hoy ihany Atoa minisitra ka tsy tokony hiteraka adihevitra be ilay izy. Maromaro ihany mantsy ireo mpikambana CT nanakiana mafy ny governemanta amin’ity fifidianam-paritra ity. Araka ny nambaran’izy ireo dia tsy izany mihitsy no nifanarahana tamin’ireo fifanarahana politika natao teto an-toerana sy tany ivelany.
Araka izany dia mety hiteraka krizy vaovao ny fanatanterahana mialoha ny fifidianana Ben’ny tanàna, raha ny nambaran’Atoa Robert Razaka. Notsoriny fa mampalahelo ny toe-tsain’ny mpanao politika malagasy satria misy ny mpikambana ao amin’ny Kongresy manaiky io fifidianana hafahafa sy hampiady io. I Maka Alphonse, mpanao gazety sady mpikambana CT ihany koa dia nanamarika fa kazarana famitahana ny vahoaka mihitsy izao tadiavin’ny governemanta hatao izao.
Araka ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV dia tsy tompon’andraikitra manoloana ny Ben’ny tanàna ny filohan’ny Faritra, ary tsy mpikambana ao amin’ny filankevi-paritra mihitsy ny Ben’ny tanàna, koa nahoana no izay fikambanana, na antoko mahatafiditra Ben’ny tanàna maro indrindra no hahazo ny toeran’ny filohan’ny Faritra ? Mbola fanontaniana mipetraka koa ny hoe : raha mahaleotena, na “independant” fa tsy avy amina antoko politika no Ben’ny tanàna maro an’isa voafidy ao amin’ny Faritra iray, ahoana ny fomba hanendrena na hisafidianana ilay filohan’ny Faritra, ary tena hametraka fitoniana marina ve izany ? Ary ny olana manaraka sy mampiahiahy ny maro amin’ity resaka ity dia mety hahazo vahana ny kolikoly satria misy ny olona te ho filohan’ny Faritra no hanao izay mety rehetra mba hahatafiditra ny Ben’ny tanàna maro amin’izay izy voafidy hitantana ny Faritra. Azo antoka fa tsy maintsy hisy ny resa-bola ao anatin’izay rehetra izay, dia handefitra ny tena safidim-bahoaka !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.