Politique

FIFAR 192 Fotoana izao hamondronana ny hery


  • Talata 02 Novambra 2010


Raikitra izany fa dia hanatanteraka fivoriana ao amin’ny Fanantenana Ampandrana ny Fivondronan’ny Fokontany 192 Antananarivo Renivohitra na FIFAR 192 rahampitso tolakandro. Halohalika ny ranombary, hoy i Bernard Joseph, filohan’ny FIFAR 192, ka tsy tokony ho mandrimandry manan’aretina intsony manoloana izao fahapotehan’ny firenena amin’ny afitsoky ny FAT izao. Tsy vitan’olon-tokona na fitsitokotokoana anefa izany fa mila avondrona ny hery, ary mila ny firaisankinan’ny daholobe hahatrarana ny tanjona, izay voaporofo hatreto fa tokana ihany dia ny tolona ho famerenana ny ara-dalàna sy ny fiverenan’i Dada ka hodiany mialoha ny Amiraly Ratsiraka ary ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena indray, fa miandry azy ny Malagasy hanarina ity firenena ity. Ainga vao ho amin’izany ity fihaonana rahampitso alarobia 03 novambra ity, araka ny fanazavan’i Bernard Joseph ihany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT