Tapitra ny faran’ny herinandro lasa teo ny fe-potoana hiasan’i Niels Marquardt, izay masoivohon’i Etazonia teto amintsika nandritra ny telo taona sy tapany teo ho eo izay.
Araka na fantatra dia tsy mbola misy aloha ny hisolo toerana azy, ary tsy fantatra mazava hoe rahoviana no mety hanendren’ny fanjakana Amerikanina izay diplaomaty vaovao hisolo tena azy eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ireo fanehoan-kevitra maro be nataony moa dia efa nanamafy hatrany i Niels Marquardt fa mitaky ny fanajana ny demokrasia sy ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ary ny fananganana tetezamita eken’ny rehetra sy iaraha-mitantana ny fanjakana Amerikanina, izay vao mety hamerina ny fiaraha-miasany amintsika. Efa niato tanteraka nanomboka tamin’ny voalohan’ny taona moa ny tetikasa AGOA, izay niteraka tsy an’asa an’alina. Tsy misy intsony koa ny tetikasa MCA izay nisahana indrindra ny fampondrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fanatsarana ny fananan-tany.
Manaporofo izany rehetra izany fa tsy mbola manaiky izao tetezamitan’ankolafy tokana tarihan’i Andry Rajoelina izao ny Amerikanina, ary mety hampiato mihitsy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Madagasikara raha toa ka tsy tafatsangana ilay tetezamita iaraha-mitantana. Aorian’izao fandaozan’i Niels Marquardt an’i Madagasikara izao izany dia karazana fampandehanan-draharaha fotsiny sisa no hisy amin’ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika. Araka ny tsiliantsofina re dia mbola mety hisy firenena hafa koa hampiato na hanapaka mihitsy ny fifandraisany amin’i Madagasikara noho ny tsy fisian’ilay tetezamita eken’ny rehetra, araka ny nifanarahan’ireo ankolafy efatra. Izany rehetra izany dia azo antoka fa hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny toekarena na dia miezaka ny milaza ny mifanohitra amin’izany foana aza ny ao amin’ny HAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.