“Manohana ny fifampidinihan’ny samy Malagasy amin’ny fikarohana vahaolana mahomby sy maharitra amin’ny krizy ny vondrona SADC, ary manentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina ary ireo fikambanana maro samihafa mba hanohana ara-bola sy ara-pitaovana ary hitondrana ny traikefa politikany amin’izany fifampidinihana izany”.
Io no anisan’ny hevi-dehibe tao anatin’ilay fehin-kevitra momba ireo krizy nodinihan’ny fihaonana an-tampon’ny faha-30-n’ny SADC tao Namibie, izay nifarana omaly moa. Tsy nanisy resaka na dia indray maraina ny amin’ilay fifanarahana politika vita sonia ny zoma 13 aogositra ny SADC saingy kosa milaza fa mahavelom-bolo ny fizotry ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ka mila fanohanana izany, ary manohy ny asa maha lehiben’ny mpanelanelana azy hatrany Atoa Joaquim Chissano. Hametraka masoivoho hiasany eto Madagasikara ny SADC hahafahany manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha eto. Manamafy anefa ity vondrona ity fa tokony ho hita taratra amin’ny fanelanelanana mandritra ny fifampidinihana rehetra ny tsy fitanilan’ny mpikarakara. Voakasika manokana amin’izany ny avy ao amin’ny CNOSC. Manizingizina ihany koa ny SADC fa tetezamita ahitana taratra ny fiaraha-mitantana no sady azo itokisana (consensuel, inclusif et crédible), araka ny efa neken’ny sehatra iraisam-pirenena hatrizay no irariana hitsangana eto Madagasikara mba hahamora ny famerenana ny fiaraha-miasan’ny nosy amin’ny any ivelany. Midika io fa dia nofinofy sy faniriana ihany ny an’ny mpivory teny Ivato sy ny an’ny FAT namoaka datim-pifidianana, toy ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalampanorenanana hatao ny 17 novambra 2010, izay efa namoahana didim-panjakana fanaikana mpifidy, raha tsy mifanaraka ny hery politika rehetra eto Madagasikara.
Nanamafy ihany koa anefa ny SADC fa manankery ary mbola mihatra avokoa ireo sazy notononina momba an’i Madagasikara sy ireo mpitondra ao aminy mandra-piverin’ny ara-dalàna tanteraka. Ny 18 martsa 2010 no navoakan’ny CPS na fiankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikana ny sazy, ka mpitondra FAT miisa 109 no voakasik’izany, dia ny fanagiazana ny kaontin’izy ijreo any ivelany, tsy fanomezana ‘visa’ ary tsy fanasana azy ireo hanatrika fivoriana iraisam-pirenena, toy ity tany Namibie ity. Tsy voaasa tany ny FAT, i Madagasikara rahateo mihatona eo anivon’ny SADC hatramin’ny faran’ny volana martsa 2009, vokatry ny fanonganam-panjakana nitranga teto. Efa nanoritsoritra ity fanapahan-kevitra ity ihany moa i Joaquim Chissano tamin’ny fandalovay farany teto, ary nilaza fa «tsy mibaiko mihitsy ny sehatra iraisam-pirenena fa manampy an’i Madagasikara, ka rehefa hita fa misy fikaroham-bahaolana mizotra tsara ataon’ny samy Malagasy dia vonona ny hitondra ny anjara birikiny ny sehatra iraisam-pirenena».
Azo antoka avy hatrany fa tsy hitsipaka io antso nataon’ny SADC io ny Vondrona Afrikanina sy ny Vondrona Eoropeanina fa hanampy ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny fanohizana ny dinika, tafiditra ao anatin’izany ny asa fanelanelanana ataon’ny CNOSC sy ny fikarakarana ny fihaonambem-pirenena ny 30 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra izao, raha toa ka mbola eken’ny ankolafy rehetra ihany io daty io. Midika koa izao fa hiverina tsy ho ela ny fifampidinihana eo amin’ny ankolafy rehetra voakasiky ny krizy, anisan’izany ny Ankolafy Telo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.