Politique

Fifanarahan’ny «Pretoria 2» 12 volana ny tetezamita, fototra iaingana ny satan’i Maputo


  • Alakamisy 20 Mey 2010

Vahaolana eken’ny rehetra eto Madagasikara sady maharesy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena no tanjona amin’ny fanatanterahana ny fihaonana tapany faharoa atsy Pretoria Afrika Atsimo, eo amin’ny filohan’ny ankolafy 4.

Fihaonana hatao ny 25 mey, raha ny feo re. Efa nisy ny volavolam-pifanarahana natolotry ny GIC ireo ankolafy ireo tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, mba hiomanan’izy ireo amin’ny adihevitra farany sy ny fanaovana sonia. Fototra niaingana tamin’ity fifanarahana ity ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba izay milaza ny fananganana tetezamita iombonana sy iaraha-mitantana ary eken’ny rehetra. Ny rehetra ambara eto dia ny ankolafy 4 : Ravalomanana, Rajoelina, Ratsiraka ary Zafy Albert. Nampidirina ao amin’ny fitsinjarana ny toerana eo anivon’ny governemanta sy ireo rafitra hafa ao anatin’ny tetezamita kosa anefa ny firehana hafa, nosokajiana ao anatin’ilay hoe : «autres sensibilités». Voalaza ao anatin’ity fifanarahana ity ary fa hifanome tanana sy hiara-hiasa amin’ny fametrahana fototry ny Repoblika matanjaka sy milamina, no sady lavitry ny disadisa sy ny fifandrafiana ireo ankolafy 4 mba hialana amin’ny krizy politika miverimberina isaky ny mihetsika eto Madagasikara. Voasoratra ao ihany koa ny tsy maintsy hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena sy ny hananganana miaraka ilay CNR na vaomieram-pirenena momba ny fampihavanana, izay ny Profesora Zafy Albert no filohany. Ifanarahana sy ifanekena ihany koa ny fananganana ny CENA na komity mahaleotena momba ny fifidianana, ary hisy ny fanampian’ny manampahaizana vahiny ity rafitra vaovao ity.

Tsy mihoatra ny 12 volana aorian’ny nahavitan’ny sonia ny fe-potoana hiasan’ny fitondrana tetezamita ; izay handamina ny firenena sy hikarakara fifidianana madio sy mangarahara no tena andraikiny amin’ny ankapobeny. Tsy afaka ny hanao fifampiraharahana vaovao amin’ny avy any ivelany na handray fanapahan-kevitra amin’ireo seha-pihariana mety hisy fiantraikany amin’ny toekarem-pirenena, toy ny raharaha politika, fifandraisana amin’ny any ivelany ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny fandraharahana ny angovo, ny fitondrana tetezamita, araka ny voalaza ao amin’ity fifanarahana ity ihany. Voalaza moa fa hanomboka amin’ny fananganana ny governemanta iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra, araka ny foto-kevi-dehibe ao amin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ity tetezamita ity. Ny filohan’ny tetezamita no manendry ny mpikambana ao amin’izany governemanta izany, taorian’ny soso-kevitra avy any amin’ireo ankolafy 4. Aorian’izay, araka ny karazana fandaharam-potoana ao anatin’ity fifanarahana ity, dia hotanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka  handaniana ny lalàmpanorenana, ka arakarak’izay endri-pitondrana lanin’ny besinimaro eo no handrafetana ny fandaharam-potoana amin’ny fifidianana rehetra hotanterahana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT