Politique

Fifanarahan’ny «31 oktobra 1991» Nahomby fa nosomparan’ny Frantsay


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Mitovy amin’ny zava-niainana tamin’ny taona 1991 ny tranga misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny profesora Ralison Roger.

 

 Vahaolana tsy maintsy nirosoana, 25 taona lasa, ny «Convention du 31 octobre» tao amin’ny hotely Panorama. Fahombiazana rahateo ny fifampidinihan’ny mpitondra fanjakana sy ny vondron’ny mpanohitra niafara tamin’io fifanarahana io, araka ny fanehoan-kevitr’ity mpikambana tao amin’ny CRES (Comité pour le Redressement Economique et Social) ity tamin’izany. Tombontsoa mivaingana ny fivoahan’ny firenena Malagasy tao anatin’ny krizy namoizana ain’olona niaraka tamin’ny fametrahana ny fototra demokratika, ny fifidianana malalaka sy ny fahafahan’ny asa fanaovan-gazety. Indrokelin’ny mpandrafitra kosa ny asa ambadika nataon’ny fanjakana frantsay izay nanapotika tanteraka ny tolom-bahoaka notarihan’ny Hery Velona Rasalama. Tonga teo amin’ny fitondrana tokoa mantsy ny filoha profesora Zafy Albert ny taona 1993 saingy niongana vokatry ny dian-tanan’ny reny malala. Tsy miova hatramin’izao ny fomba fiasan’ny firenena mpanjanaka ary mampanahy io fitondrana Rajaonarimampianina manao bemarenina sady mandà fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy io. Tsara lavitra anefa ny misoroka ny tsy fitovian-kevitra mialoha ny fifidianana noho ny olana aoriany noraisina tamin’ireo zava-nitranga teto amin’ny firenena, hoy ny lehiben’ny PRM (Parti Républicain de Madagascar).

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT