Politique

Fifanarahan’i Johannesburg Miseho sahady ny tsy fitovian-kevitra


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Efa nomena dika mitovy amin’ilay fifanarahana hiadiana hevitra sy hosoniavina any Johannesburg ny 28 aprily ho avy izao ny ankolafy efatra ka araka ny tsiliantsofina re dia efa misy sahady no tsy manaiky ny endrik’io karazana fifanarahana io.

Marihana fa araka ilay soso-kevitra netin’ny Sekreteram-panjakana frantsay, Alain Joyandet teto Antananarivo, telo herinandro lasa izay no resahana, dia manome vahana ny ankolafy Rajoelina ilay fifanarahana raha ny isan’ny olona mahazo toerana no resahana, ary mijanona ho filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina. Nofoanana kosa ny toeran’ireo filoha miara-mitantana roa, mety ho tazonina amin’ny toerany kosa i Mamy Rakotoarivelo izay filohan’ny kaongresin’ny tetezamita araka ny fifanarahan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Mahazo toerana betsaka manaraka izany ny ankolafy Ravalomanana, somary nihena kosa raha ampitahana tamin’ireo fifanarahana nisy teo aloha rehetra ny isan’ny toerana azon’ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert. Ary raha ny resaka mandeha aza dia mety hanatrika ny fanaovan-tsonia eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina no tena anton-dian’ireto filoha teo aloha mirahalahy ireto. Tsy manaiky ny hisian’ny fihaonana mitokana eo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomaana mantsy ny ankamaroan’ireo mpanao politika, na ny mpomba izany na ny mpanohitra izao tetezamita izao, noho ny antony maro samihafa ; mety efa ho izay anefa no endriky ny fifampidinihana vaovao neritreretin’ireo mpanelanelana satria efa tsy nahomby ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny ankolafy efatra. Mbola misy herinandro mahery moa mialoha ny fihaonana any Afrika Atsimo ary mety mbola ho maro ny fiovan-javatra ao anatin’izay. Ny tena marina koa dia mbola hafana ny adihevitra rehefa tena raikitra ny fivoriana ary mety hiova endrika tanteraka indray ilay sori-dalana fa tsy arak’ilay efa any am-pelatanan’ny ankolafy efatra amin’izao fotoana.       

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT