Fifampiresahana amin’ny « Iles Eparses »

«Ny atody tsy miady amam-bato!»


  • Zoma 09 Mey 2025

Ny fitondràna Hery Rajaonarimampianina no nitondra voalohany ny resaka fiaraha-mitantana na

Cogestion» an’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary. Izaho, hoy izy, tao anatiny. Rehefa niresaka tamin’ny filoha Macron tamin’ny fotoan’andro ny filoha Rajaonarimampianina dia efa niresaka an’io. Ny antony voalohany dia tsy manana fitaovam-piadiana hiadiana amin’ny frantsay isika. Mpikamban’ny filannkevitra momba ny fandriampahalemana ao amin’ny firenena mikambana na ONU ny frantsay. Madagasikara, ny taona 1979, no efa nandresy teo anivon’ny ONU fa an’ny malagasy ireo nosy ireo. Ahoana no fampiharana ny fanapahan-kevitry ny firenena mikambana ao amin’io filankevitra io? Miteny amin’ny frantsay izany ny firenen-drhetra eto amin’izao tontolo izao fa tokona haverina amintsika io. Ohatran’ny any Israely sy Gaza ihany nefa io. Rehefa mbola manana ny atao hoe «droit de véto» na zo ho tompon’ny fanapahan-kevitra ny frantsay dia tsy misy afaka maka ireo nosy ireo aminy. Na isika izany hiady amin’ny frantsay na dia tsy manana fitaovam-piadiana, vola, hery na hiara-hiasa amina firenen-kafa hiady amin’ny toerantsika. Raha hiantso olon-kafa dia miantso ny amerikanina na sinoa na rosianina. Inona nefa no takalo hangatahin’ireo raha ho azo ireo nosy manodidina? Tsy hisy olona hamono tena ho anao fotsiny amin’izao haka an’ireo. Na isika miady na miresaka. Ny vahaolana hitan’ny fitondràna HVM dia fiaraha-mitantana, izany hoe, izay harena rehetra mivoaka ao dia zaraina amin’ny firenena frantsay sy firenena malagasy. Izay hevitra nentinay tamin’izany fotoana izany izay no tazomin’ny frantsay izao. Ny fitondràna ankehitriny moa nitaky hoe avereno aminay madiodio nefa ilay izy fa izahay tsy hiaraka hitantana. Rehefa raikitra nefa ny ady hevitra dia tonga saina ihany hoe sarotra amintsika, raha ny androany sy rahampitso, ny hiady ireo nosy ireo amin’ny frantsay. Tsy misy idiran’ny zom-pirenen’ny filoham-pirenena malagasy izany na inona fa ny atody tsy miady amam-bato. Fifampiresehana no ilaina no dikan’izay ary misokatra amin’izany ny frantsay. Ny mpanao politika sasany eto angamba mihevitra fa manana tanjaka diplaomatika tahaka ny maorisianina naka ireo vondro-nosy Chagos tamin’ny britanika. Mampianatra jeopolitika ety amin’ny oniversite ny tena. Tsy ny diplaomasia malagasy no marefo fa ny firenena malagasy no marefo eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Maorisy no hitanareo fa Inde no ambadik’i Maorisy. Tongotr’i Inde aty Afrika i Maorisy. Misy vola indianina goavam-be ao Maorisy. Iza no mba lamosin’i Madagasikara? Ny fiaraha-mitantana aloha no zakantsika androany. Raha ataontsika stratejia nefa moa hoe iadiana ireo nosy ireo mba ho boatin-drakitra ho an’ny taranaka dia ny taranaka no manohy ny tolona any aoriana any dia hafa indray izay. Samy tsy afa-mitrandraka eo izany ny frantsay sy malagasy. Raha mila vola hampandrosoana haingana ny firenena kosa dia ny fiaraha-mitantana no vahaolana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT