Politique

Fidinana an-dalambe Hosamborin’ny fanjakana Ravalo ?


  • Talata 11 Jolay 2017

Totoafo omaly ny fanakianan’ireo olon’ny fitondrana ny hetsiky ny TIM ny sabotsy lasa teo ary tena nahazo ny anajarany araka ny fomba fiteny mihitsy i Marc Ravalomanana.

 Izay nosokajian’ny filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao ho mpanao bodingerina.Nampitenenina koa ny senatera HVM, izay toa tsy mahalala tsara akory ny zavatra ambarany fa efa nianarana natao tsianjery angamba ka na ny anaran’ny TIM sy HVM aza nampifamadihany.Nampiakarina fahitalavitra ny ambara fa mpamakafaka politika, rehefa nodinihana anefa ny nataony dia tsy famakafakana fa fanosoram-potaka sy fanaratsiana rano iray..tsapa ihany koa fa voafetra ihany ny zavatra fantany fa dia nampitenenina fotsiny aloha dia niteny e. Mialohan’izany, ny faran’ny herinandro teo dia efa nandeha ny resaka ny amin’ny fisiana fikasana hisambotra an’i Marc Ravalomanana mba hifehezana azy sy ny fitetezam-paritra hataony ato ho ato.Paikady mety resahana ao an-dapa fa kosa tsy ho mora ny ho fanatanterahana azy satria fantatra fa misy ihany koa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy mpomba ny fitondrana.Fantatra ihany koa ankehitriny fa niniana natao mihitsy ny tsy fanomezana ny kianjaben’i Mahamasina mba hisian’ny mety ho fihoaram-pefy, toy ny resaka fandrobana, ra mandriaka,…saingy tsy izay no niseho. Ny nanara-dia an’i Marc Ravalomanana tamim-pilaminana no nataon’ny vahoaka an’aliny, ka na fanambarana politika aza tsy nisy. Fifamaliana madinidinika teo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no nisy, saingy samy nahatsapa ny roa tonta fa tsy misy ny tombontsoa azo avy amin’ny fifandonana. Raha ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny lehiben’ny Fari-piadidian’ny zandarimaria Antananarivo na ny CIRGN Analamanga Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa rahateo dia tsy nisy ny fahapotehan-javatra na fisamborana.Na maro aza ny fihantsiana sy ny fandranitana ataon’ny mpitondra azy hihoa-pefy, dia tsy tafajabaka ny filoha teo aloha. Kabary am-panajana naneho fifankatiavana sy fifamelana no nataon’i Marc Ravalomanana tetsy amin’ny Hotely Carlton.Re anefa  fa mbola mandeha ny kajy rehetra amin’ny hisamborana azy noho izy lazaina ho manohintohinana ny fanjakana sy ny filaminana anatiny. Ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-dia aminy rahateo efa hita fa tena mikoropaka mafy nahita ny tanjaky ny TIM sy ny mbola fitiavan’ny olona an’i Marc Ravalomanana ka tsy atao mahagaga raha miainga ny fingapingana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT