Politique

Fibodoan’ny Frantsay tanin’olona Niantso vonjy amintsika ny Kaomorianina


  • Sabotsy 13 Aogositra 2016

Nitatatata, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpanao gazety nasainy teny Ambatonakanga ilay mpahay lalŕna sady mpahay politika Kaomorianina Ali Abdou Alidi,

 

 naneho ny alahelony manoloana ny zava-misy tany amin’ny fireneny nanomboka ny taona 1995 no ho nankaty. Miondrika am-panajana aho manoloana ny razan’ireo Kaomorianina maherin’ny 20.000 voasotasota ka namoy ny ainy raha niainga avy teo amin’ny nosy Ajouan ka hihazo an’ny nosy Mayotte mba hamangy ireo mpiray tanindrazana tamin’izy ireo. Nahagaga, hoy izy, fa dia maty avokoa izay kaomorianina naniry ny hihazo an’i Mayotte  kanefa velon’aina rehefa hihazo nosy hafa. Marihina fa tamin’ny anaran’ny repoblika frantsay hatrany ny taratasy fanakanana ireo teraka tany amin’ireo nosy kaomorianina hafa naniry ny hihazo ny nosy Mayotte. Mangataka tolo-tanana avy amin’ny rahalahinay Malagasy izahay mba hiadiana amin’ny fibodoana tsy amin-drariny ny tanintsika ataon’ny frantsay hatramin’izao. Manana ireo nosy manodidina anareo efa mitady ho lasan-dry zareo ambongadiny koa ianareo, hoy ity, manampahaizana ity ka inoanay fa maharary anareo raha sanatria lasan’ny vahiny izany. Mpirahalahy iray ra sy kolontsaina ary fari-dranomasina isika, hoy izy, ka tsy tokony hifanary. Marihina moa fa tonga nanohana ity manampahaizana ity teny Ambatonakanga tamin’ny tolona hatrehiny omaly ireo mpanao gazety zokiolona.


Faralahimatoa    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT