Politique

Fiatrehana ny fifidianana Mila alamina ny resa-bola


  • Alarobia 21 Septambra 2016

Efa miha manakaiky ny fotoana hiatrehantsika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 raha hizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany ny zava-drehetra ka tsy hisy ny korontana politika mety hanova zavatra.

 Manoloana ny resaka fifidianana io dia nitondra ny heviny ny Pr André Rasolo, mpahay fiarahamonina omaly. Eo amin’ny resaka fampiasam-bola amin’ny fifidianana no tena nanipazany resaka mba tsy ho ny vola no mibaiko amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana hatao eto amin’ny firenena. Zava-misy eto Madagasikara hatramin’izay ny resaka vola izay gaboraraka tanteraka, indrindra fa amin’ny fotoanan’ny propangandy. Raha tsy mangarahara sy milamina ny fampiasam-bolan’ny kandida sy ny antokony izay fitsipi-dalao vaovao tokony hapetraka dia fifidianana voavidim-bola toy izay nisy hatrizay no hiseho eto, raha ny heviny. Miainga amin’ny resaka fampiasam-bola amin’ny fifidianana tokony hisian’ny mangarahara sy fampitoviana lenta ny mpifaninana rehetra no antoky ny fifidianana miorim-paka amin’ny safidim-bahoaka.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT