I Mahajanga no nampiantrano ny andiam-panofanana fahadimy nokarakarain’ny CENI-T miaraka amin’ny firenena mikambana, ka niantsoana ny mpanao gazety 29 mianadahy, notsongaina avy amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.
Ny anjara andraikitry ny mpampahalala vaovao sy ny orinasan-tserasera mandritra ny vanim-potoan’ny fifidianana no nifantohan’ny fanofanana, izay nampitondraina ny lohateny hoe : «Elections et journalisme : Droits, Devoirs, Responsabilité et Ethique”. Raha adika tsotsotra amin’ny fiteny malagasy izany dia azo fehezina hoe : zo sy andraikitra ary fitsipi-pitondrantenan’ny mpampahalala vaovao na mpanao gazety manoloana ny fifidianana. Mitana toerana goavana ao anatin’ny zotram-pifidianana tokoa mantsy ny fampitana vaovao ataon’ny mpanao gazety. Mety hampilamina io kanefa mety hampikorontana sy hitarika ady, tahaka ny nitranga tany Rwanda. Voaresaka nandritra ny efatra andro niofanana ny zava-misy momba ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny olana mianjady amin’ireo mpanao gazety, ny momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lisi-pifidianana, ny lalàna sy ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary ny zon’olombelona.
Tonga manokana teto Madagasikara mba hampiofana sy hizara ny traikefany tamin’ireto mpanao gazety ireto Rtoa Marie-Evelyne Petrus Barry, Talem-paritry ny CINU (sampandraharaha misahana ny serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny Firenena Mikambana) Afrika, nijanona roa andro tao Mahajanga ka nandray anjara tamin’ny fampiofanana koa ny filohan’ny CENI-T Rtoa Béatrice Atallah sy ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto amintsika Rtoa Fatma Samoura. Azo atao hoe mafonja ary tena nilaina ho an’ireo mpanao gazety ny fahalalana sy traikefa nifampizarana nandritra ity fiofanana ity ary nahafantarana zavatra betsaka manodidina ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana eto amintsika satria tany an-toerana ny tompon’andraikitra voalohany amin’izany sy ny mpitantana ny vola rehetra hampiasaintsika hanaovana fifidianana.
Nitondra ny anjara birikiny tao anatin’izao fampiofanana izao ihany koa Atoa Ruffin Rakotomaharo mpanao gazety efa diso fantatry ny maro loatra ary mitantana ny ANTA ankehitriny. Sarotra ny manomana sy manatanteraka fifidianana madio sy mangarahara, tsy mora ihany koa ny asa fanaovan-gazety, indrindra fa amin’izao vanim-potoan’ny krizy eto amintsika izao. Raha samy manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy anefa ny tsirairay dia tsy tokony hisy ny olana goavana. Aleo misoroka toy izay mitsabo ka izany indrindra no anton’ny hetsika tahaka izao, izay hofaranana any Antsirabe amin’ity herinandro ity ka havondrona any avokoa ireo mpanao gazety 100 mahery tamin’ny andiana mpiofana dimy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.