Politique

Fiatrehana ny fifidianana Miara-miasa ny CENI sy ny AAENA


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Tontosa omaly ny atrikasa ho fiaraha-miasan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny Fikambanan’ny maintimolalin’ny sekolim-pirenena manofana ho mpitantan-draharaham-panjakana any Frantsa (AAENA).

 Nifantohana ny lohahevitra mikasika ny «fanentanana ireo vehivavy sy tanora mikasika ny anjara adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy ireo amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana». Tafiditra ao anatin’ny fanentanana nasionaly sy ny fampahafantarana ny pitsopitsony, mba hananana tambajotra hifanakalozam-baovao amin’ny fanentanana ara-pifidianana sy hanaovana serasera mikasika ireo olana mety hitranga. Nasaina manokana ireo fikambanana liana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanentanana ara-pifidianana sy ny fanisana mpifidy. Tanjona ny hahafahan’izy ireo mampita ireo pitsopitsony tokony ho fantatra amin’ireo iantefany sy ny sarababem-bahoaka amin’ny maha zava-dehibe ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana. Novelabelarin’ireo solontenan’ny fikambanana maintimolalin’ny ENA sy ireo teknisian’ny CENI ny lohahevitra manodidina ny olana sedrain’ny vehivavy sy ny tanora, ny serasera amin’ny tambanjotran-tserasera ara-tsosialy ary ny mikasika ny fifididianana. Noresahina tamin’ny asam-baomiera kosa ny fomba hanatanterahana ny paikadim-pirenena hanentanana ny olom-pirenena hiteraka fahatsapan-tena mizotra any amin’ny latsa-bato, izay lavitry ny fanilikilihana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT