Politique

Fiarovana ny zon’ny mpanjifa Lasa fitaovana politika


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Toe-javatra tsy dia fahita indray no nisy tato ho ato dia ny fahitana olon-tsy fantatra mijoro hitarika vahoaka toy izay niseho teny Analakely ny 19 aogositra.

 

 Toy izany  koa ny tetsy anoloan’ny Lapan’ny tanàna omaly, nipoiran’ny lehilahy iray nitonon-tena ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa nandritry ny hetsiky ny mpivarotra amoron-dalana. Hita hatrany izy amin’ireo karazana fitokonana eto an-drenivohitra. Ny tena nahazendana tamin’ny fihetsiny iray ity dia ilay filazana fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny tenany kanefa any anaty hetsiky ny mpivarotra tsy ara-dalàna no managam-bovona. Dia mpanjifa iza moa izany ilay arovany ? Tsy nisalasala mantsy ny tenany nilaza fa “hanao loham-boto” hiditra ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Haka ny toeran’ny Ben’ny tanàna ? Tsy nisy nanaraka moa izy fa nataon’ny olona fihomehezana fotsiny. Maro ny mihevitra fa manana tanjona politika ity lehilahy ity ka zarany aza nisy iny hetsika omaly iny hojapiana sy hampalaza tena.

Toky R.


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT