Olona miisa 3 no tena tena mavitrika ao anatin’ny HVM sy miaro fatratra ny filoha amin’izao fotoana izao.
Voalohany amin’izany i Rivo Rakotovao, filoha nasionalin’ny antoko sady minisi-panjakana misahana ny fambolena sy ny fiompiana. Faharoa i Mbola Rajaonah izay mitana ny toeran’ny mpanolotsain’ny filoha ary matetika hita amin’ny dia alehan’i Hery Rajaonarimampianina ireny. Fahatelo farany kosa ny depioten’i Betroka Nicolas Randrianasolo. Mirehareha fatratra ny antoko HVM fa antoko mafy sy matanjaka eto amin’ny firenena, saingy aiza daholo ireo mpikambana maro be no ireo 3 ireo ihany no fatra-piaro sy mivazavaza ary manohana fatratra ny filoha ? Mahazo tombony manokana sy mahazo vola be ve izy ireo ka izay no mampavitrika azy sa kosa efa zatra misolelaka ? Mangina sy tsy miteny ve ny hafa satria tsy mba mipitika any aminy ny volabe ? Ingahy Rivo Rakotovao dia voalaza fa efa niara-dalana tamin’i Hery Rajaonarimampianina fony izy minisitry ny vola sy ny tetibola ary mifankalala afera ny roa tonta, ka dia voatazona foana ao anaty fitondrana na dia efa malaza ratsy ho tsy ankasitrahan’ny mpikambana ao anatin’ny HVM aza. I Mbola Rajaonah kosa, dia tsy dia mpiteny saingy malaza amin’ny afera ary tsara aro sy tsara afina aorian’ny filoham-pirenena. Tsy vaovao amin’ny rehetra ihany koa i Nicolas Randrianasolo, izay depiote lany tamin’ny alalan’ny MAPAR saingy namadika palitao. Tsara karakara ity depiote ity ao anatin’ny HVM ary voalaza fa migoka tombontsoa mihoapampana. Vao tsy ela akory izy izay no nalefa tany ivelany ary voalaza fa efa mipetrapetraka sahady ny dia manaraka. Efa malaza amina resaka fizaram-bola ny HVM isaky ny misy hetsika goavana ataony, ary re ihany koa fa misy tia tena sy manao poketra vy araka ny fitenin-jatovo ka efa mitady lalan-kafa ny maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.