Politique

Fiarahamonina Hihetsika ny Kung-Fu


  • Alakamisy 28 Jolay 2011

Feno 26 taona amin’ity taona ity ny nanaovana vonomoka ireo mpanao Kung-Fu, niara-dia tamin’ny Grand Maître Pierre Be nataon’ny mpitondra tamin’ny Repoblika faha-2 tamin’ny 01 aogositra 1985.

 “Hatramin’izay ka hatramin’izao”, hoy ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja Kung-Fu, Me Rakotoarisoa Victor, dia tsy miova ny tanjon’ny Kung-fu dia ny tsy maintsy hanampiany ny vahoaka madinika. Tamin’ny taona 1980 tany izahay dia nanampy ny vahoaka noho ny fisian’ny mpanao risoriso teny anivon’ny Fokontany teto an-drenivohitra. Mbola nandray andraikitra koa izahay tamin’ny fanafoanana ny TTS nampahory vahoaka teto Iarivo ihany. Taty aoriana dia nanao ny “Opération” nandravana ny mpangarom-paosy koa izahay ka ireo no tsy tantin’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany ary dia iny notafihana tao Ambatomainty (Boriborintany faha-5) tamin’ny alin’ny 31 jolay hifoha 01 aogositra 1985 iny ny foiben-toeran’ny Kung-fu.

Manaraka ny fiainam-pirenena amin’ny antsipirihany ny Kung-fu hatramin’izay ka hatramin’izao, hoy ny fanamarihana azo avy amin’ny tompon’andraikitra. Ho fahatsiarovana izany àry dia nampahafantarin-dry zareo ny mpanao gazety omaly teny Andavamamba fa hisy ny hetsika goavana hataon’ny mpanao Kung-fu amin’io volana aogositra 2011 io izay hampiakarana mpizaika dimy arivo sy iray alina. Ao anatin’ny Zaikabem-pirenena no hanaovana ny hetsika izay karazana fampisehoan-kery tahaka ny nataon-dry zareo tany amin’ny Zaikabem-paritra natao tamin’ny volana mey 2011 tany Tsiroanomandidy, Arivonimamo, Analamanga, ary ny volana jona tany Fianarantsoa, Antsirabe, Ambatondrazaka, Andilamena ary Mahajanga.

Hoporofoina tahaka ny tany amin’ireo toerana ireo, hoy ny Me Rakotoarisoa Victor, fa velona ary matanjaka ny Kung-fu eto Madagasikara. “Ho anay, dia tsy ny hoe hiatrika fiadiana ny ho tompondaka eran-tany no mahamaika fa ny hoe : ahoana no hikolokoloana ny mpanao Kung-fu any amin’ny faritra tena lavitra indrindra eto Madagasikara ?”, hoy izy. Ho fanomanana izany Zaikabe izany dia hiakatra eto Antananarivo sahady, ny zoma sy sabotsy izao, ireo Maîtres rehetra manerana ny Nosy miisa 300, handinika sy hanapaka ny fanatanterahana izany Zaikabe izany. Marihina fa tany amin’ireo toerana nanaovana ny Zaikabem-paritra ireo dia nahazo alalana nilahatra namakivaky ny tanàna ny mpikambana Kung-fu notarihan-dry Me Victor sy Me Avoko. Tao Tsiroanomandidy, ohatra, dia nahatratra 1km ny fitandahatry ny mpikatroka. Dia ho ambakan’izany ve ny eto Iarivo ahitana an’ireo 15 000 mpizaika sy ireo mpikambana tsotra tsy ao anatiny ?

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT