Politique

Fiaraha-miasan’ny samy Tatsimo Tonga eto ny delegasion’ny antoko UMNO Maleziana


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Raikitra fa dia hotanterahina rahampitso 22 jolay 2011 ao amin’ny Carlton ny zaikabe nasionaly voalohan’ny antoko MAMAFISOA (Malagasy Mandroso ao anatin’ny Fihavanana sy ny Soatoavina), izay tarihin’Atoa RAJEMISON Rakotomaharo.

 Ankoatra ireo tompon’andraikitra rehetra izay hisolotena ireo mpikambana avy amin’ny Faritra 22, izay hidinika ny fiainan’ny antoko sy ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena dia nanasa antoko sy fikambanana politika avy eto an-toerana sy avy any ivelany ny MAMAFISOA hifanakalo sy hifampizara traikefa aminy amin’io zaikabeny io. Hisy ny avy aty amin’ny ranomasimbe indianina, ny avy any Eoropa ary ny avy any Azia. Efa tonga eto hatry ny omaly ry zareo avy amin’ny antoko UMNO (United Malays National Organisation) any Malezia. Ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Datuk Seri Tengku Adnan Tengku Mansor no mitarika ny delegasiona, miaraka amin’ny filohan’ny vondron’ny mpandraharaha any an-toerana.

Vondron’antoko matanjaka indrindra any Malezia ny UMNO, ary teo amin’ny fitondrana hatrany izy tao anatin’izay 54 taona nahazoany fahaleovantena izay. Nitarika ny mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko MAMAFISOA nitsena azy ireo teny Ivato Atoa RAJEMISON Rakotomaharo. Nambaran’ity farany fa misy ny fiaraha-miasa ara-politika eo amin’ny antoko roa ireto, ary izay no nanasany manokana ny UMNO. Hiatrika ny kongresiny koa ity antoko matanjaka any Malezia ity amin’ny volana novambra ho avy io, ary nahazo fanasana ho amin’izany koa ny MAMAFISOA. Ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Datuk Seri Tengku Adnan Tengku Mansor kosa tetsy andaniny dia nilaza fa ankoatra ny resaka politika dia hivelatra amin’ny lafin-javatra hafa, indrindra ny toekarena sy fijerena fiaraha-miasa amin’ny fampiasam-bola ny dian’izy ireo eto. Omaly ihany dia efa nisy ny fihaonan’ity delegasiona ity amina mpitondra ambony eto, ary koa fihaonana amina mpandraharaha. Izany araka ny filazan’ity lehiben’ny delegasiona ity, dia tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny tany samy Tatsimo ho fanatsarana ny fiainan’ny mponina.

 

Jean D.

 

Sary : Ny delegasion’ny antoko UMNO (United Malays National Organisation) tonga teny Ivato

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT