Politique

Fiara raitra ho an’ny depiote 4x4 miisa 104 no efa vonona


  • Zoma 02 Jona 2017

Efa noporofointsika teto amin’ity gazety Tia Tanindrazana ity tsy ela akory izay fa tena misy ireo solombavambahoaka vitsivitsy nisitraka ny fiara 4 X 4 amin’izao famarampanana ny fepotoam-piasan’izy ireo izao.

 Araka ny vaovao voaangona teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza tamin’ity herinandro ity indray dia voamarina ny fisian’ireo fiara 4 x 4 hafa miisa 104 amin’ny vidiny 100.000.000 Ar ny iray ka azo alain’izay depiote vonona ny hanome toky fa hanohana tsy misy fepetra an-dRajaonarimampianina Hery amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Malagasy manaraka amin’ny taona 2018. Raha io tarehimarika azo io no hanaovana fampitomboana tsotsotra dia vaka ihany ny saina mieritreritra fa hay ve misy ihany ny vola hividianan-javatra rehefa misy fanambatambazan’olona tian’izao fitondrana izao hatao ? Fehiny izany dia azo  ambara fa tsy maintsy hitombo isa ny 4 x 4 raitra hiantsona etsy amin’ny « Parking »-n’ny lapa etsy Tsimbazaza rehefa hiatrika fivoriana isan-tokony ireo solombavambahoakan’i Madagasikara atsy ho atsy.

Rabri


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT