Tsy mahataitra ny mpiara-belona ny fanambaran’ny ny Antso ho an’ny Fanavotam-pirenena (AFP), raha ny fakan-kevitra natao.
Raha nanao fanambarana ireo mpitarika ny amin’ny hitarihan’izy ireo olona hidina an-dalambe ny 19 aogositra ho avy izao dia maro ny tsy mahalala izany. Tsy vitsy ihany koa ny vahoaka tsy mahafantatra akory ny AFP. Ireo olom-pirenena mahara-baovao indray dia kivy raha vao mahita ny salovan-tavan’ireo milaza hijoro ho an’ny fanavotam-pirenena. Maro ny mametra-panontaniana hoe : Inona no efa vitan’ireo teto amin’ny firenena dia inona indray no mbola hataony ? Maro ny milaza fa hitady seza ireo, efa teo ireo fa tsy hita izay nafitsony. Misy ny milaza fa efa zatra manongam-panjakana ny sasany ka mitady hamerina indray. Raha ny mpitarika no jerena dia toa mitombina ireo satria maro no voasarangotra tamin’ny raharaha fanonganam-panjakana sy ireo olona nanapotika ny firenena tamin’ny andron’ny tetezamita an-dry Organès Rakotomihantarizaka, (Minisitry ny filaminana anatiny tamin’ny tetezamita), Jean Théodore Ranjivason (CST tetezamita), Harinaivo Rasamoelina (CST tetezamita), Razafimanantany Faniry (CT tetezamita). Olona very seza taorian’ny tetezamita ny ankamaroany ary te hiverina noho ny tsy fahazakana vahoaka amin’ny fifidianana ka mikendry hanongam-panjakana, hoy ny ankamaroan’ny olona.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.