Politique

Fiandrianam-pirenena Mpanentana 700 mianadahy no hitety trano


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Mpilatsaka an-tsitrapo 700 mianadahy mianaka no indray hihetsika mialoha sy mandritra ny fetim-pirenena 26 jona ho avy izao.

 

 Efa nanomboka ny 05 jona lasa teo ireo 500 mianadahy  no nitety ireo tokantrano  eto an-drenivohitra sy ny manodidina mba hanangan-tsaina raha efa misy ihany koa ny any amin’ny faritra. 100 kosa no  hifanotrona amin’ny ORTANA mandritra ny karnavaly izay hotanterahin’ireto farany amin’ity herinandro ity raha handrindra ny fampidirana ny olona mba  hijery matso sy fampisehoana etsy Mahamasina mandritra ny fetin’ny 26 jona kosa ny ambiny.   Tanjon’izy ireo raha araka ny fanazavan-dRamatoa Alijimmy, Ratsirarson, mpandrindra nasionalin’ny mpilatsaka an-tsitrapo eto amintsika mba hampitana  amin’ny tsirairay ny maha zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena raha eo ihany koa ny mba hahafahan’ny rehetra manao fety amim-pilaminana. Marihina moa fa mbola hanome rà maimaim-poana ihany  koa ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto ny 16 jona ho avy izao, mandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fanomezan-dra izay hatao etsy Anosy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT