Tsy mandŕ mihitsy ny hanoloana ny lehiben’ny Faritra araka ny tinapaky ny besinimaro nandritra ny fihaonambem-pirenena ny lehiben’ny faritra Androy, Fiandraza. Nambarany mantsy fa tsy mandrakizay ny olona voatendry na voafidy no mipetraka eo amin’ny toerany fa tsy maintsy ifandimbiasana io.
Tokony atao ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fifanajana tanteraka kosa anefa ny fifandimbiasan-toerana, ary tsy tokony hisy fitaka na hafetsifetsena. Tsikaritra ihany mantsy ny karazana fanova-maso sy fanodinkodinana ny tena safidim-bahoaka teny Ivato, hoy izy. Nambaran’i Fiandraza, lehiben’ny faritra Androy, fa nisy ny fanovana ny hevitra tapaka teny anivon’ny asam-baomiera, ka maro mihitsy ny zavatra niova rehefa naroso ny fivoriambe niraisana ireo tolo-kevitra. Tsy vitsy ny olona sosotra tamin’izany nandritra iny fihaonambem-pirenena iny araka ny filazany. Nampatsiahy ihany koa izy fa efa nanaratsy endrika ny fitondrana tetezamita teo imason’izao tontolo izao ny fandravana avy hatrany ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona tamin’ny volana aprily 2009 ; ka efa nieritreritra ny mety ho akon’ity fanesorana ny lehiben’ny faritra sy ny Ben’ny tanàna ity ve ireo nanao izany ? Filaminana no tadiavina fa tsy fikorontanana, hoy i Fiandraza ka tokony ho malina tsara amin’ny fanapahan-kevitra raisina ny rehetra, indrindra fa ny fitondrana tetezamita. Aminy dia afaka esorina izay olom-boafidy na olom-boatendry hita sy voaporofo fa tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny asany. Rariny loatra kosa raha mijanona amin’ny toerany ireo izay nahavita sy mbola tian’ny vahoaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.