Politique

Fianarantsoa Tsy afa-mitraka ny mpanohitra


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Anisan’ny notakian’ireo izay tonga eo amin’ny fitondrana ankehitriny, telo taona lasa izay, ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra na ankalamanjana io na amin’ny haino aman-jery, indrindra amin’ny haino aman-jerim-panjakana satria an’ny vahoaka io.

 Fiovana ihany koa no notakian’izy ireo tamin’izany. Fiovana ho amin’ny tsara kokoa raha ny tokony ho izy. Ny zava-misy anefa dia ny mifanohitra amin’izany satria niova tokoa saingy ho amin’ny ratsy. Tsy ny eto Madagasikara ihany no miaina sy mahita izany fa hatrany ivelany dia efa samy nanome tarehimarika ny momba izany avokoa. Raha gazety na olona manohitra na manohintohina ny FAT, ohatra, dia tsy mahita rirany amin’ny haino aman-jerim-panjakana, indrindra ny any amin’ny Faritra. Tsy mifanalavitra amin’izay ny zava-misy ao Fianarantsoa, araka ny vaovao. Iharan’ny antsojay sy ramatahora izay manakiana na mitsikera ny FAT, mihatra aman’aina mihitsy aza izany indraindray. Ankoatra izay dia anisan’ny nanaitra ireo mpanara-baovao ny nahazoan’ny filohan’ny delegasiona manokana ny mariboninahitra «Commandeur de l’Ordre National», nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo, kanefa iaraha-mahafantatra fa olona voaheloky ny fitsarana ary nigadra tao Tsiafahy ingahy Pety Rakotoniaina.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT