Fiainam-pirenena Misabaka ny KMF

Cnoe


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Betsaka ireo olona manao propagandy amin’izao fotoana kanefa tsy namaky akory ilay volavolan-dalàmpanorenana hatolotra ny mpifidy amin’ny 17 novambra, araka ny nambaran’i Ernest Razafindrabe, filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe izay komity mpanara-maso ny fifidianana sady manabe ny olom-pirenena koa.

Nisarika ny sain’ny rehetra ihany koa izy ny amin’ny tsy fisian’ny komity mpanohana ny TSIA mihitsy. Tsy tokony hatao hahafaly izany, fa vao mainka aza tokony hiteraka adihevitra goavana. Misy antony mazava matoa tsy hita taratra hatramin’izao ny fijoroan’io komity manohana ny TSIA io. Miseho amin’ny endrika maro mantsy ny fanehoan-kevitra, araka ny filazany : midika ho fankatoavana ny ENY ve ny tsy fisian’ny komity mpanohana ny TSIA, sa entina ilazana fa tsy miraika amin’ny lalàmpanorenana sy ny fiainam-pirenena ny olona sa tsy te ho tompon’andraikitra tsotra izao amin’izay zavatra mety hitranga koa dia aleo mitazana fotsiny aloha fa tsy mandray anjara mivantana amin’ny fifidianana ? Zava-dehibe loatra ho an’ny fiainan’ny firenena izany resaka lalàmpanorenana izany ka tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy ny fampahafantarana azy, hoy ihany i Ernest Razafindrabe.

Handray anjara amin’ny fanentanana ny olona amin’ny fampahafantarana ny manodidina izany fifidianana izany ny KMF/Cnoe araka ny filazany, satria efa izay no fanaony hatramin’izay. Nomarihany anefa fa tsy propagandy velively no atao fa fanazavana sy fanaraha-maso ara-teknika. Izay no maha komity mpanara-maso ny KMF/Cnoe, araka ny fanazavany ihany. Maro no mahita amin’izao fihetsiky ny KMF/Cnoe izao fa manao politika misabaka ihany ry zareo, sady miditra ao amin’ny CNOSC hanelanelana amin’ny famahana ny krizy mantsy ny KMF/Cnoe no sady manaiky an-kolaka ihany ny tetiandro momba ny fifidianana napetraky ny FAT ka hirotsaka ho mpanara-maso amin’izany. Etsy ankilan’izay dia tsy tokony hadino fa manana solontena iray ao anatin’ny CENI ihany koa ny KMF/Cnoe, ity rafitra ity anefa dia efa iaraha-mahalala fa tsy mahazo ny fankatoavan’ny besinimaro sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary tena mitarazoka fomba fiasa amin’ny fametrahana ny masoivohony manerana ny nosy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT