Politique

Fiainam-pirenena Baranahiny !


  • Talata 06 Septambra 2016

Resahana foana ny hoe tany tan-dalàna rehefa ny tombontsoan’ny mpitondra eto amin’ny firenena no arovana. Malaza izany amin’ny resaka fiarovan-tseza sy fisakanana ny hetsika politika manozongozona ny mpitondra.

Mahagaga ny tsy nandraisana andraikitra mialoha tamin’ny 19 aogositra 2016 izay nilazan’ny mpitarika ny Antso ho Fanavotam-pirenena ny tsy hakany fahazoan-dalana nefa hanao hetsika an-dalambe. Tsy nisy famaizana, izay midika fa fanomezana vahana ny tsy ara-dalàna. Ny “procession” na dia mivavaka aza anefa ilana fahazoan-dalana sy fampahafantarana any amin’ny prefektiora. Tonga tampoka mitrandraka harena ankibon’ny tany any Vohilava Mananjary ny Sinoa ary rehefa raikitra ny fipoahana ara-tsosialy vao mody mikoropaka mandefa iraka hanakonana ny tsy fandraisana andraikitra. Mody nakatona ilay toeram-pitrandrahana saingy niverina ireo Sinoa fa tsy nisy tohiny. Fa natao ho an’iza ny lalàna ? Nalaza tato anatin’ny fotoana fohy ny fisiana fiarabe sady tsy misy laharana no tsy misy taratasy, tsy misy alalana hivezivezy nentina nanototra ny tany etsy Andohatapenaka. Efa hampanjakaina eto amin’ny firenena ny baranahiny ka ny fanjakana mihitsy no manome lesona ratsy sy manome vahana ny tsy ara-dalàna. Tsy hisy firenena milamina intsony eto raha izao no mitohy !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT