Nanapa-kevitra ny hijoro handray andraikitra hanavotra ny firenena manoloana ny toe-javatra misy ankehitriny eto Madagasikara ny OHT (Olona Hasin’ny Tany).
Manahy ny hisian’ny korontana hampitombo ny vesatra sy fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy mantsy ny fikambanana, araka ny fanambarana nataony teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Antony lehibe nahatonga ireo mpikambana nanao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra sy ireo mpiantsehatra ny raharaham-pirenena. Tsy lany olomanga rahateo i Madagasikara hiaro ny mpiray tanindrazana sy ny voninahitry ny firenena, araka ny fanehoan-kevitry ny fikambanana. Antom-pijoroan’ny Olona Hasin’ny Tany hatramin’ny taona 2014 nitsanganany moa ny fitandroana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Olana fototra eto amintsika hatramin’izay ny fandikàna ny soa toavina sy ny moraly politika eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Vahaolana haroson’ny OHT kosa ny fametrahana ny fanaovana politika matihanina eto amin’ny firenena mifototra amin’ny tsangan-kevitra fa tsy tsangan’olona. Tazana teny Antaninarenina omaly tao anatin’ity OHT ity ireo mpanao politika toa an-dry Raharisaina Hery (minisitra nandritra ny tetezamita), Emile Ratefinanahary (mpikambana CST nandritra ny tetezamita) sy Zakahely Boniface (depiote teo aloha)
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.