Ohabolana Malagasy tsy lefy laza mandrakankehitriny ny hoe Ny heloka ibabohana mody rariny.
Efa tena raiki-tapisaka amintsika izany ary tsy afa-misaraka amin’io ny hoe raharaham-pihavanana. Tokony hotsaroan’ny rehetra anefa fa tsy mahafoana ny heloka na fandikan-dalàna natao izany. Na eo aza ny mety ho fifamelana eo amin’ny olona roa na vondron’olona roa, dia mbola eo foana ny lalàna famaizana izay tsy tokony hohamaivanina. Ny lalàna dia mihatra foana fa tsy tokony ho zatra amin’ny hoe raharaham-pihavanana isika, ka ho afa-maina foana ny olona nanao ny tsy mety. Tsy fantatra intsony ny hoe marina sy diso rehefa izay no lasa raiki-tapisaka eo amin’ny fiarahamonina satria lasa fifanomezana leson-dratsy ary azo sokajiana ho endrika kolikoly mihitsy. Lasa sakana amin’ny fampiharana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy misy ilana ny lalàna intsony raha izay foana no arahina sy atao. Tsy misy intsony ny tahotra amin’ny fandikan-dalàna rehefa tsy afaka ao an-tsain’ny tsirairay sy mihanaka eo anivon’ny fiarahamonina ny hoe vitan’ny fifonanana sy ny raharaham-pihavanana avokoa ny heloka rehetra. Mila ampianarina sy tezaina amin’ny fanarahana sy fanajana lalàna ny Malagasy. Maro mantsy ny tsy mahalala ary lasa mifangaro mihitsy ny resaka kolontsaina sy ny lalàna izay fitsipika mifehy ny fiarahamonina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.