Politique

Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Hankinina amina Minisitra indray ny serasera ?


  • Alakamisy 08 Aprily 2010

Mandeha ny feo fa misy lesoka ny fampitam-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, izay mety hiafara amin’ny fanendrena olona akaiky an’i Andry Rajoelina hitantana ity departemantan’ny serasera ao Ambohitsorohitra ity.

Raha ny tsiliantsofina re dia mpikambana ao amin’ny governemanta ity olona mety hafindra lasy eny amin’ny toeram-piasan’ny filohan’ny HAT ity, na dia tsy marisika amin’izany aza ireo mpiara-miasa akaiky sy mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina. Ary izay no toa mampitarazoka ny fanendrena. Raha ny resaka mandeha, dia mety hiditra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena hajoro atsy ho atsy, amin’ny anaran’ny ankolafy Rajoelina, i Annick Rajaona, izay mpitondra tenin’ny filohan’ny HAT amin’izao fotoana. Izany rehetra izany no milaza fa misavoritaka tanteraka ny fitantanana ny firenena, lany andro amin’ny famindran-toerana sy fifanakalozan-tseza ny mpitondra, ary manomboka tsy mifampatoky sy mifampiahiahy. Ady mangatsiaka no filaza azy. Misy aza mpikambana sasany ao amin’ny HAT, toa an’i Roland Ratsiraka, efa sahy milaza ampahibemaso fa misy tsy mety ny ataon’ny mpitondra sasany amin’izao fotoana ; ary vao tsy ela akory izay no nanonona ampahibemaso anarana mpiara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina ho tompon’andraikitry ny fikatsoan’ny firenena i Voninahitsy Jean Eugène. Ny mpanohana ny tolona tamin’ny herintaona moa dia efa maro no manomboka mivadika sy tsy matoky an’i Andry Rajoelina intsony ankehitriny. Ny mampitaraina ny olona sasany ao anatin’ny fitondrana tetezamita mijoro amin’izao fotoana, dia mitady hanao ampihimamba ny fitantanana ny firenena ny eny Ambohitsorohitra ka miditra amin’izao zavatra rehetra izao, hany ka misy mahatsiaro tena ho voailikilika sy atao tsinontsinona ny tompon’andraikitra sasany. Matahotra ireto farany fa hiverina indray ny fomba fanao tamin’ny fitondrana teo aloha, ka lasa mivangongo eo amin’ilay filoha sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny prezidansa ny asa rehetra. Ankehitriny rahateo efa lamaody ny fampiasan-kery ary tsy lavitra ny jadona ny firenena.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT