Kivy indray ny olona marobe ary miahiahy ny amin’ny ain’i Fetison Andrianirina. Vao maraina dia efa tomefy olona ny Fitsarana. Olona izay liam-baovao, voalohany aloha ny amin’izay mety ho fandehan’ny fitsarana ary ny faharoa kosa, dia ny mba hahafantarana raha mbola velon’aina i Fetison Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary Pastera Edouard.
Tsy nisy Fetison tonga izany anefa teo. Na ny mpisolovava azy aza, ny Me Hanitra Razafimanantsoa dia tsy mbola mahalala izay misy azy ireo hatreto. Tsy hita i Fetison sy Zafilahy Stanislas ary koa ny Pasitera Edouard. Tsy hita izay nasiana azy ary tsy mba misy fanazavana ofisialy momba izany avy amin’ny fitondrana hatreto. Vokatry ny tsy fahatongavan’izy ireo, izay marihina etoana fa ny fitondrana FAT no tompon’andraikitra amin’izany, dia voatery nahemotra amin’ny 25 janoary 2011 ny fitsarana azy ireo. Tsy hanao krismasy sy taom-baovao miaraka amin’ny ankohonany avy izany ? Nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika izay napetraky ny mpisolovava.
Ny fanontanina mipetraka dia ny hoe, mbola azo lazaina ve fa mipetraka ny fahalalahan’ny mpitsara amin’ity raharaha ity ? Efa vita avokoa mantsy na ny fanadihadiana savaranonando izay nataon’ny mpitandro ny filaminana, na koa ny fanadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Ny mpitsara ihany aza no nametraka ny datin’ny fitsarana izay omaly 23 novambra 2010. Rehefa nafenin’ny fitondrana anefa izy ireo dia toa tsy mba nametraka olana mihitsy ny fitsarana mahefa fa dia nahemotra fotsiny ny daty. Izany ve tsy midika fa mbola baikon’ny fitondrana hatrany ny fitsarana ? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra... izao no atao hoe : “kidnapping judiciaire”. Notanana am-ponja vonjimaika tao Antanimora izy telo lahy ireo ny 11 novambra. Ora vitsy monja anefa no tao dia nafindra tany Ambatolampy indray. Ny alin’ny alarobia 17 novambra hifoha ny alakamisy 18 novambra indray dia nentina nitsoaka ary natsofoka tany amin’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa.
Roa andro monja no nijanonany tao dia nalain’olon-tsy fantatra indray ny sabotsy 20 vao mangiran-dratsy ary nanomboka teo dia tsy hita popoka. Na ny mpitsara aza omaly raha nanontanian’ny mpisolovava azy ireo, dia nilaza fa na izy ireo aza tsy mahita izay misy ny olona tokony hotsarainy. Mitovy tsy misy valaka amin’ny “kidnapping” ny zava-mihatra amin’ireto mpitarika ao amin’ny Ankolafy Telo ireto. Ny hany sisa tsy re dia ny fitakiana vola, fa ny ankoatra izay dia kapoka iray amin’ny fakana an-keriny. Ny mampanahy ao anatin’izao dia ho valaka amin’ny fitondrana azy ireo mivezika atsy mivezika aroa izy ireo, ka ho mora hampanekena na zavatra tsy nataony akory aza. Na izany aza dia mitaintaina ny fianakavian’izy ireo, te hahazo antoka na mbola velona any ary salama ve ny havany sa sanatria vita mangingina any ankodimirana any. Betsaka mantsy ny zava-nitranga tato ho ato, indrindra amin’ity resaka “kidnapping” ity fa hoe saika hitsoaka fa voatery nitifitra ny mpitandro ny filaminana ka lavon’ny bala. Ny mpitondra FAT izay nampisambotra ary nampiditra am-ponja azy ireo rahateo tsy manome fanazavana ‘ofisialy’ ny momba ireto olona ireto ka dia mampitombo ny ahiahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.