Politique

Fetison, Zafilahy, Pastera Edouard Nalefa any Ambatolampy


  • Zoma 12 Novambra 2010

Taorian’ny zavatra nitranga teny Behoririka sy Antanimena ny alarobia lasa teo dia natao fanadihadiana teny amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Betongolo ireo mpitarika sasantsasany eo anivon’ny ankolafy 3.

Anisan’ireny i Fetison Rakoto Andrianirina, Lalatiana Ravololomanana, ny pastera Edouard, ny depiote Zafilahy Stanislas sy Rodin Rakotomanjato. Naharitra ora maromaro ny fanadihadiana teny Betongolo, izay nanomboka tamin’ny iray ora tolakandro. Avy eo dia nalefa teny amin’ny fampanoavana ireto mpitarika ka nalefan’ny fitsarana nody i Lalatiana Ravololomanana sy ireo namany hafa. I Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny Pastera Edouard kosa nalefa avy hatrany eny amin’ny fonjan’Antanimora taorian’ny fandalovan’izy ireo teny amin’ny fampanoavana. Tsy nijanona hatreo fa nafindra any amin’ny fonjan’Ambatolampy ny alin’iny ihany izy telo lahy ireo. Azo antoka fa tahotra ny hisian’ny sakoroka hataon’ny vahoaka dia nalefa alavitry ny renivohitra izy ireo. Ireo olona 18 hafa nosamborina taorian’ny zavatra nitranga ny alarobia lasa teo moa dia najanona eny Antanimora ihany.

Ny 23 novambra any ho any ny fitsarana azy ireo, araka ny vaovao. Zavatra 3 no iampangana azy ireo dia ny fandraisana anjara amina hetsika tsy nahazoana alalana, efa notenenin’ny mpitandro ny filaminana kanefa tsy niparitaka ary ny famotehana fananam-bahoaka. Raha jerena ihany koa ireto lohan’ny mpisorona nalefa eny am-ponja dia olona sokajiana ho tena mpitarika ny tolona ary mety ho kandida adversera matanjaka na amin’ny fifidianana filoham-pirenena, toa an’i Fetison Rakoto Andrianiriana, Zafilahy Stanilas kosa amin’ny izay ho fifidianana solombavambahoaka. Araka izany dia ezahina lotoana ny ‘casier judiciaire’-n’izy ireo. Izao trangan-javatra izao dia midika fa hifandovana ny famaliana faty, mbola lavitra ihany koa izany hoe fampihavanam-pirenena izany. Mandrehitra afo ao anaty menaka indray ny FAT eto. Hitohy ny tantara. 

Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT