Antanimora, Ambatolampy ary izao dia i Fianarantsoa indray no toerana itazonana am-ponja an’Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny pastera Edouard Tsarahame.
Tsy mbola nisy toy izany ny fanagadrana mpanao politika tao anatin’ity fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ity. « Dia ampangainay ireo milaza ho mpitondra noho ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny namindrana fonja azy ireo. Raha sanatria misy zavatra manjo azy ireo dia fantatry ny rehetra hoe iza no tompon’andraikitra”, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomananamanoloana io raharaha io. Araka ny fanazavana na ny fianakaviana, na ny mpisolovava azy ireo dia tsy nahafantatra na ny antony na ny toerana namindrana azy telo lahy ireo. «Ny alarobia izahay no nahare siosio hoe haverina eny Antanimora izy ireo. Ny zava-nitranga anefa rehefa nanontany fanazavana tamin’ireo mpiasan’ny fonja ny mpisolovava dia tsy nahazo valiny nahafa-po mihitsy. Hatramin’ny ora farany dia tsy fantatray marina izay toerana namindrana azy ireo. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina dia niantso anay ireo namana any Ambatolampy nilaza fa nisy fiara minibus roa sy fiara 4X4 roa niaraka tamina golf nisy jiro manga tonga teny amin’ny fonjan’Ambatolampy. Ireo no noheverinay fa haka azy ireo hiverina aty Antanimora. Rehefa nanontanian’ny mpisolovava anefa ny lehiben’ny fonja dia tsy afaka nanome valiny hoe iza no maka azy ireo ary hoentina mankaiza”, hoy ihany Rtoa Ravololomanana.
Rehefa narahina ireo fiara, araka ny fanazavana ihany dia nitodi-doha taty an-drenivohitra. Dia niandry teny Antanimora nanomboka tamin’ny misasakalina ireo ray aman-dreny sy mpiray tampo kanefa dia tsy tonga teny Antanimora mihitsy izy ireo, araka ny vaovao ihany. “Tamin’ny 5 ora sy sasany maraina vao nahare siosio indray izahay fa hoe lasa any Fianarantsoa izy ireo. Niantso ireo namanay any izahay hanamarina izany ary dia voamarina fa dia any amin’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa izy ireo. Araka ny vaovao dia salama izy ireo saingy tsy azon’iza na iza jerena. Tsy afaka mifandray amin’iza na iza koa”, hoy ihany ny filohan’ny Manda ho an'ny Firaisampirenena.
Manoloana izany indrindra dia mitaky ny hisian’ny mangarahara amin’ity raharaha ity izy ireo, momba ny famindrana toerana, ny antony sy ny tsy nilazana tamin’ny mpisolovava sy ny fianakaviana akaiky. Voalaza moa fa dia hampahafantarina ireo masoivoho vahiny rehetra eto amintsika izao zava-misy izao. Momba ny raharahan’ny tafika indray dia tsotra ny nambaran’i Lalatiana Ravololomanana : “Mba hanatanteraka ara-bakiteny ny hoe : “ho an’ny tanindrazana ny tafika”, hoy izy ka mba hiaro tokoa ny vahoaka sy ny fananany, tena handray andraikitra tokoa ary ho vita haingana ny fifanarahana eo amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.