Politique

Fetison sy Zazah Nihaona mangingina


  • Talata 02 Martsa 2010

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena na dia tsy mety hita ihany aza ny vahaolana ary tsy mbola tafatsanagana ilay tetezamita iombonana iaraha-mitantana, araka ny satan’i Maputo.

 

Mitombo isan’andro ihany koa ireo fifanatonana sy fifampiresahana eo amin’ireo mpanao politika sy teknisianina maro samihafa, fihaonana tsy ofisialy ary tsy dia ambara vahoaka loatra matetika no mitranga. Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, dia nisy nahita teny amin’ny Carlton Anosy teny Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina lehiben’ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana sy Zazah Ramandimbiarison talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina. Raha ny fahitana azy, araka ny filazan’ireo nampita ny vaovao, dia toa efa fotoana vita mialoha ny azy mirahalahy ireto fa tsy hoe fihaonana kisendrasedra akory.
 
Avy amin’ny ankolafy roa izay azo lazaina hoe mifandrafy mihitsy izy mirahalahy ireto, saingy ny mampitovy azy dia samy teknisianina no niara-niasa sy miara-miasa akaiky amin’i Marc Ravalomanana. Efa Praiminisitra lefitra nisahana minisitera telo teo anivon’ny fitondrana Ravalomanana i Zazah Ramandimbiarison, ary nitarika ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana hatramin’ny niandohan’ny fifampidinihana notarihan’ny GIC i Fetison Andrianirina. Ora iray teo ho eo no naharetan’ny fihaonana. Tsy nisy nipika ny resaka satria fihaonana tsy ofisialy izy ity, ary tsy nisy fiantsoana na fampandrenesana ny mpanao gazety ihany koa mba hampitana ny vaovao.
 
Samy mitazona andraikitra ambony manoloana ny famahana ny krizy izy mirahalahy ireto ary ao anatin’ireo ankolafy azo ambara hoe : rangory fototry ny afo, niavian’ny krizy mihitsy. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe : inona marina no vontoatin’ny fihaonana, fihaonan’ny mpinamana sy olona nifankafantatra hatry ny ela ve, sa fihaonan’ny mpanao politika ? Ary nahoana no amin’izao fotoana izao no itrangan’izany fa tsy tany aloha, sa efa nisy fihaonana miafina ihany koa mialoha izao fa tsy nisy nahatsikaritra mihitsy ? Ny azo antoka aloha dia nisy antony mazava izao fihaonan’i Fetison Andrianirina sy Zaza Ramandimbiarison ny sabotsy tolakandro teo izao fa tsy sanatria hoe fiarahana miala hetaheta fotsiny.
 
Ho an’ny mpanara-baovao sasany dia mety tafiditra ao anatin’ny hetsika ataon’ny HAT mba handresen-dahatra ireo ankolafy telo hafa handray anjara amin’ilay atrikasa ny 04 sy 05 martsa ho avy izao ity fifanatonana ity. Eo koa anefa ny sasany no mieritreritra zavatra hafa mihitsy ka milaza fa samy manomana ny hoavy politikany angamba izy mirahalahy ireto, ka mba mifanakalo vaovao ka raha sanatria mitranga ny zavatra hafahafa any aoriana any dia .. . trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana e !
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT