Niverimberina tato ho ato ny “Paix des braves”, antso nataon’i Fetison Rakoto Andrianirina sy ny feo miely fa hisintaka amin’ny Ankolafy Ravalomanana ny tenany. Niezaka nanatona azy ny Tia Tanindrazana hamantatra ny zava-misy marina.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Toa nijoro sy nandray anjara ho amin’ny famahana ny olana amin’ny anaran’ny tenanao manokana ianao. Mba azonao hazavaina aminay ve ny
Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Taorian’ireny fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina ireny izay mampihatra ny tapaky ny Filoham-panjakana mpikambana ao amin’ny SADC tany Sandton tamin’ny volana jona 2011 lasa teo, dia tokony hihetsika isika Malagasy. Ny tovana na fanitsiana ny tondrozotra no tokony hanohizana ny fifampidinihina eo amin’ny samy Malagasy. Tsy misy anefa hatreto ny tetika iraisana irosoana amin’ny fampiharana sy ny fametrahana an’izany tondrozotra miaraka amin’ny fanitsiana izany. Koa dia avela hijaly eto foana ve izany ny Vahoaka ? Inoako ary resy lahatra aho fa tsy mbola maty eritreritra ny mpanao politika rehetra eto Madagasikara.
T.T : Ka inona marina ilay ataonao fa tsy mazava amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika sasantsasany ?
FRA : Antso ho an’ny olon-kendry sy ny manampanahy ary tia tanindrazana no antsoiko hoe “Paix des Braves”. Natao izany mba hitadiavana amin’ny fomba rehetra ny fampiharana ny zavatra tapaka tany Sandton. Izany hoe tsy mivaona amin’izay efa neken’ny rehetra ny asa atao : ny tondrozotra no fitaovana hivoahana amin’ny olana, miaraka amin’ireo fanitsiana momba ny rafitry ny tetezamita sy ny fodian’ireo nitsoa-ponenana eto Madagasikara. Tsy fifampidinihina vaovao indray akory no hatao fa fanohizana ny tsy vita hatrizay.
T.T : Inona ary izany izao no dingana efa vita ary mbola hatrehana ?
FRA : Ny zava-dehibe dia tsy misy na dia iray aza tamin’ireo vondrona politika nasaina tany
T.T : Tsy novalianao ny fanontaniana teo hoe amin’ny anaranao manokana ve no hanaovana an’izay Antso izany ary ahoana ny resaka mandeha fa hiala amin’ny Ankolafy Ravalomanana ianao ?
FRA : Manantena ny FFKM na ny Fiarahamonim-pirenena isika hitarika izany diniky ny samy Malagasy izany. Eo am-piandrasana an-dry zareo anefa dia tsy azo ihodivirana ny fahantran’ny vahoaka sy ny tsy fahalavorarian’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy misy ny mijoro mandamina. Mitaky toetra manokana anefa izany mba tsy hanimbana ny asa atao. Mba hahalavorary ny fitadiavam-bahaolana dia voatery misintaka amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy tsy mandray anjara amin’ny rafitry ny Tetezamita ateraky ny fifanarahana mivoaka eo ny tenako. Tsy miditra amin’izao rafitry ny tetezamita misy izao koa ny tenako. Ary hamafisiko fa tsy misy fifanarahana vaovao fa miainga tanteraka amin’ireo zavatra tapaka tany Sandton farany teo ny adihevitra.
T.T : Koa raha misy ny misalasala dia inona no ataonao ?
FRA : Dia efa very olom-banona sy tia tanindrazana izany i Madagasikara. Mety hiteraka fanovana be dia be ao aoriana ny tsy fahalavorarian’ny fifanatonana arahim-pifampidinihina eo amin’ireo vondrona politika nantsoina ho amin’izany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.