Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Valifaty ve no hatao eto ?


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika sy ny olom-pirenena tsotra taorian’iny fihaonambem-pirenena teny Ivato ny herinandro lasa iny. Manana ny heviny mikasika izany i Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana, iray amin’ireo mpitarika ny Ankolafy Telo eto an-toerana, raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.

Tia Tanindrazana (T.T) : Vita iny ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena FINONA. Misy ny fanapahan-kevitra mafonja notapahina. Ahoana ny fahitanareo Ankolafy Telo izany ?
Fetison Rakoto Andrianirina (Fetison) : Na dia tsy teto an-drenivohitr’i Madagasikara aza izahay Ankolafy Telo nandritra ireny fotoana ireny dia naharay tatitra momba ny fizotran’ny raharaha teny Ivato. Ny zava-dehibe tsara ho fantatra dia tsapa fa natao hanamafy izay hetaheta sy fanirian’ny mpitondra tsy ara-dalàna fotsiny iny fihaonana iny. Tsy natao hamahana ny olana nifandimby teto amintsika izy iny ary indrindra fa tsy ankatoavin’ireo fianakaviambem-pirenena. Nifamono sy tsy nifampatoky ny samy Malagasy nandritra ny fotoana ela ary ny hetsika hita tamin’ny taona 2009 dia tarazo naterak’izany toetra izany. Noho izany, tsy tokony ho toy ireny vokatry ny fihaonambe ireny no hamahana ny olana eto amintsika sy hametrahana vahaolana maharitra sy mateza.

 T.T : Izany hoe tsy hitondra vokatra firy ho an’ny firenena izany ireny fehin-kevitra nivoitra tao ireny, araka ny fijerinareo azy ?
Fetison : Ny firenena tsirairay dia samy manana ny tantarany. Tsy diso anjara amin’izany isika. Ny fahaizana mamakafaka sy mandinika izany tantaran’ny firenentsika izany no antoka iray voalohany hampahomby ny fifampidinihina sahala amin’ireny. Tokony hovaina amin’izay ny fomba fitondrana ny famahana ny olana mba tsy hiverenany intsony, fa manimba ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Aminay dia misalovana ny anjara andraikitry ny mpitondra politika sy ny tompon’andraikitra momba ny fifampihavanam-pirenena iny fihaonambem-pirenena farany iny.
 
T.T : Azonao tanisaina ve ireo andraikitra tsy tokony ho noraisin’iny fihaonambem-pirenena iny ?
Fetison : Koa satria tetezamita no resahina, dia tsy maintsy manomboka amin’ny fifanarahana ara-politika aloha isika hamerana ny fomba hitantanana sy ny firafitry ny tetezamita. Resahina ao amin’izany fifanarahana politika izany ny momba ny fifampitondrana tokony hisy eo amin’izay mpitondra voaongana sy ny mpanongana. Manarak’izany dia tsy tokony hohamaivanina ka hoferana ao anatin’ny fe-potoana fohy tahak’ireny ny fandinihina ny fifamelana sy ny fanonerana ny tsy nety rehetra.
 
T.T : Manana an’izany hevitra izany ianareo, inona ny antony tsy nanatrehanareo iny fihaonana iny ka nahatonga anareo nanao fitsidiham-paritra ?
Fetison : Zava-dehibe loatra eo amin’ny hoavin’ny firenena ny fanomanana sy fanatanterahana izany fihaonambe izany. Tsy matotra ary natao kitoatoa anefa iny farany teo iny. Isika rehetra samy nahatsapa izany. Marina fa ny tonga lafatra tsy hisy fa matoa nisy fangataham-piovana teto dia tokony hanao izay tsaratsara kokoa ireo izay nitaky an’izany. Tsy ao anatin’ny herinandro akory no ahafahana mandrindra izany fihaonana izany, manoloana ny hasarotra sy havesatry ny olana mipetraka sy iainana. Tsy nanatrika izahay satria tsy mbola voafaritra mazava tsara iza marina no mpikarakara sy ireo mpanatrika, inona no tena lahadinika izay tokony halefa mialoha any amin’ireo izay ho solontena, hanomanan’izy ireo azy. Ny fihaonana sahala amin’ireny dia tokony hahafahana mandinika tsara ny fototry ny lalàmpanorenana handrafitra ny Repoblika vaovao na ny fanitsiana tokony hoentina hahatomombana ny filaminana eo amin’ny fitantanana ny firenena sy ny tsy hisian’ny fanaparam-pahefana.
 
T.T : Koa inona izany no soso-kevitra matotra hirosoana amin’ny tena vahaolana avy aty aminao manoloana an’izany ?
Fetison : Ny CNOSC na ny Coordination Nationale des Organisations de la Société Civile dia efa neken’izao tontolo izao sy ny mpitarika politika rehetra fa afaka manampy ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Ny fifampidinihina eo amin’ireo firehana politika rehetra sy ny fanomanana ny fihaonambe mahaleotena dia tokony hatombok’izy ireo. Miandry izany izahay. Tsara ny manamarika fa ny fihaonambem-pirenena izay vao vita teo dia tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena ka vao mainka mampitarazoka ny fanampiana ny vahoaka mijaly ankehitriny.
 
T.T : Misy ny mihevitra fa natao hanamafisan’orina ny fahefan’ny Filohan’ny FAT sy hanilihana ny Filoha Ravalomanana iny fihaonana iny ?
Fetison : Izany ve dia atao mahagaga ! Ny fandraisan’anjaran’ireo mpizaika izay tsy fanta-piaviana ireo dia mampahatsiaro ny fomba fanaon’ireo mpitondra mpanao didiko fe lehibe tany amin’ny firenen-kafa ka tiana hampiharina eto. Tsy hampilamina ny toe-draharaha eto Madagasikara ny fandraisana fanapahan-kevitra mifahatra amin’ny valifaty sy ny fifanenjehana ary ny fialonana. Raha vahaolana hiverenan’ny korontana afaka fotoana fohy dia hampikatso indray ny raharaham-pirenena. Tsy azo ekena izany.
 
T.T : Ary nanao ahoana ny vokatry ny dianareo tany amin’ny faritry ny SAVA ?
Fetison : Tany Vohemar, Andrafeko sy Amboriala, Antalaha, Sambava ary Antsohihy izahay. Betsaka ny taraina voaray noho ny tsy maha marim-pototra an’izao fitondrana izao ka mampijaly ireo mpanjono, ny mpitrandraka vatosoa sy ny bolabola (bois de rose), ny fanondranana lavanila. Ambonin’izany ny fitarainan’ny ray aman-dreny momba ny fampidiran-janaka, ny fahalafosan’ny fitsaboana sy ny vidim-piainana. Mahatsapa ny akamaroan’ny vahoaka any fa tsy maharesy lahatra sy tsy mitondra vahaolana izao fitondrana mampiady ny samy Malagasy izao. Ny tena mampanahy anefa dia ny fitakian’izy ireo ny fahaleovantenan’ny faritra ka hiverenan’ny vola rehetra azo amin’ny harena ao aminy, ho fampandrosoana marina ny faritra misy azy ireo. Mbola betsaka ny asa miandry ny tomponandraikitra sy ireo mpitarika politika rehetra tsy ankanavaka ka mila mandray an-tanana ny famahana ny olana haingana.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT