Antomotra toa oron-tsaka ny datin’ny 16 martsa, fe-potoana farany nomen’ny Filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina, hiverenan’ny ankolafy Rajoelina an-databatra boribory hampiharany ny satan’i Maputo sy Addis Abeba.
Dila io fe-potoana io, dia hihatra ny sazy. Vahinin’ny Tia Tanindrazana i Fetison Rakoto Andrianirina, filoha miara-mitantana ny tetezamita, araka ny fifanarahana tany Addis Abeba. Nambarany fa “tsy misy ho afa-maina ireo nandray anjara tamin’ny fakana fahefana tamin’ny taona 2009, raha ho avy ny sazy”. Dinidika.
Tia Tanindrazana (TT): Manoloana ny toe-draharaha ankehitriny izay ahitana fikatsoana tanteraka, inona no mety ho vahaolana azo aroso ?
Fetison Andrianirina (FA) : Roa andro sisa dia hanapa-kevitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Vondrona Afrikanina. Mampanahy mafy ny mety hoavin’ny firenena raha tsy mitandrina isika. Ho avy ny sazy ary tsy ho diso anjara amin’izany ny vahoaka malagasy. Tsy rariny loatra kosa raha izany no mitranga. Mandresy lahatra ny Ankolafy Rajoelina aloha no asanay hatramin’izao.
TT: Ary raha tsy mety mampihatra ny Ankolafy Rajoelina, dia inona no mety hitranga ?
FA : Tsy tsara ho antsika ny fahatongavan’ny sazy. Raha sanatria izany ka tonga dia izao no zavatra mety hiseho. Sazy indroa mifanesy no hahazo antsika malagasy. Ny voalohany dia sazy ho an’ireo izay rehetra naka ny fahefana nandritra ny taona 2009. Tsy afa-miala ireo rehetra (na sivily na miaramila) nanampy azy ireo tamin’izany. Hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainam-bahoaka izany sazy izany. Ny faharoa dia ny sazy hihatra amin’ny firenena malagasy mihitsy ka mety hifarana amin’ny fahirano antsika Malagasy izany. Tsy lazaina intsony ny fanafoanana ny famatsiam-bola isan-karazany, izay hiteraka fatiantoka mihoapampana ho antsika rehetra.
TT: Araka ny hevitrao, inona no mahatonga ny Ankolafy Rajoelina tsy hampihatra ny Maputo sy Addis-Abeba, kanefa efa nosoniaviny ?
FA : Ny tsy fahafantarana ny tena vontoatiny sy ny fiantraikan’ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tany Addis-Abeba no mahatonga azy ireo misalasala. Azo hitarafana an’izany ny tsy fahafantaran’Atoa Andry Rajoelina fa ireo fifanarahana ireo no hahatonga azy ho Filohan’ny Rafitra Tetezamita, ka hankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy. Raha izany no misy dia hiverina avokoa ny fifanarahana miaraka an’i Madagasikara ary afaka mifampiresaka amin’Atoa Rajoelina ny firenena rehetra. Zava-dehibe ho azy ireo izany.
TT : Sao kosa ny fizarana ny fahefana amin’ny Ankolafy telo no mahatonga azy ireo saro-piaro ka mandà ny fampiharana izay efa nekena sy nosoniavina. Ny hevitrao ?
FA : Ny fakana ny fahefana teny an-dalambe no mahatonga ny fitondran’Atoa Rajoelina tsy eken’ny rehetra sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Hahazo tombony manokana izy raha mahay manararaotra izany fifanarahana izany. Tsy tokony ho saro-piaro amin’ny fizarana ny fahefana izy na hisalasala satria sady hahafahany mametraka ny fomba fijeriny hitondrana ny firenena izany no mandray anjara amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.