Herintaona katroka izay no nitazonana am-ponja an’Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpitari-tolona isany Zafilahy Stanislas avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ary pastera Edouard Tsarahame, avy amin’ny ankolafy Zafy. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina mahakasika izany, ary nohararaotina ny nidinidinika taminy mikasika ny raharaham-pirenena.
Tia Tanindrazana (T.T) : Inona no azonao lazaina raha mahatsiaro ny nampidirana anareo tany am-ponja noho ny
Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Tsy nisy nilana ny nampidirana anay rehetra akory tany am-ponja raha toa ka mandrak’ankehitriny tsy tafavoaka ao anaty olana ary tsy nahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena isika Malagasy. Ary na dia teo aza ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra, dia mbola mitaintaina mandrakariva ny Malagasy. Inona ny
T.T : Fa ahoana kosa ? Tsy efa miroso amin’ny fametrahana ny rafitra iombonana eo amin’ny tetezamita ve izao ny fitondrana izao ?
FRA : Tapa-bolana sahady izao no nanendrena an’Atoa Beriziky ho Praiminisitra kanefa dia sahirana izy ny manangana ny governemantany. Noho ny tsy fandraisana andraikitra misy teo amin’Atoa Rajoelina no
T.T : Inona no mahatonga anao hanambara izany ?
FRA : Azon’Atoa Rajoelina natao tsara ny nifampidinika tamin’ireo vondrona politika mialoha ny nanendrena ny Praiminisitra. Ary raha tsy vita izany dia tsara raha nametra ny fitsinjarana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izy ka nahafahan’ny Praiminisitra sy ny vondrona politika nahafantatra ny anjara andraikiny sy ny toerana natokana ho azy satria tetezamita hiaraha-mitantana no hampiainana ny Malagasy. Ho moramora ny fampandraisana andraikitra an’ireo vondrona politika ary nampilamin-javatra bebe kokoa raha nahay nijoro ho toy ny raiamandreny tokoa Atoa Rajoelina.
T.T : Fa ahoana ?
FRA : Voalohany. Azo natao tsara ny namoaka an’ireo gadra politika, na dia vonjimaika ihany aza aloha, mandra-piandry ny rafitra iombonana. Niteraka fitoniana teo amin’ireo vondrona politika mpifanandrina izany. Faharoa, nampihavana ny samy Malagasy ny fifampidinihina teo amin’ireo samy mpanao politika fa tsy hozarazaraina tahaka ny fanaon’ny mpanjanatany fahiny. Ambonin’izany, nanampy be dia be an’Atoa Rajoelina teo amin’ny asany ny fifankahazoana teo amin’ireo izay voafidy handray anjara ao amin’ny rafitry ny tetezamita. Ary fahatelo, nahafahana nampiray sy nampivondrona ny tsy mitovy hevitra ny fampifanatonana. Tsy mbola diso aoriana anefa Atoa Rajoelina ny amin’izany raha te hilamina.
T.T : Araka ny hevitrao, azo antenaina ve ny fiverenan’ireo Mpitsoa-ponenana, indrindra fa ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ?
FRA : Anisan’ny hevitra efa tapaka ary neken’ny rehetra nanao sonia ny tondrozotra ny fiverenan’izy ireo tsy misy fepetra. Ny fomba fanatanterahana azy no tokony ho anjara asan’izay rafitra iombonana apetraka eo satria marina loatra fa misy ny andininy faha-20 sy ny andininy faha-45 ao amin’ny tondrozotra izay tsy natao hiara-dalana loatra. Fa na dia izany aza dia efa tsy iadian-kevitra ny fodian’izy ireo.
T.T : Mahazo manantena ve izany ny vahoaka Malagasy ny amin’ny hilaminan’izao raharaha izao ?
FRA : Raha mbola be kajikajy Atoa Rajoelina sy ireo mpanolotsainany ny amin’ny fihazonana ny toerana ahitany tombontsoa manokana dia manahy ny amin’ny famaranana an’izao olana izao aho, izay mety hiafara amin’ny fanalan-tena mihitsy ataon’ireo mpitondra. Ireo mpanohitra koa anefa manana adidy sy andraikitra feno ka tokony hampiseho fahendrena mihoatra lavitra noho ny an’ireo izay tsikerainy mandrakariva.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.