Mifamahofaho be ihany ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny eo amin’ny fitondrana misisika hikarakara fifidianana, ny ivelan’ny fitondrana indray miandry ny fampiharana ny fehin-kevitra tapak’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC nivory tao Sandton, izay nohamafisin’ny CPS/UA tany Addis Abeba. Fivoriana etsy fivoriana eroa, eo ihany koa ny antso ataon’ny mpanao politika. Mby aiza ny raharaha ankehitriny ? Nisy ny dinidinika nifanaovana tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina.
Tia Tanindrazana (T.T) : Taorian’ireny fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina (CPS/UA) ireny dia nisy ny antso nataonao ho an’ny besinimaro. Inona marina ny tena
Fetison Rakoto Andrianirina (F.R.A) : Mazava ny zavatra tapaka tany amin’ny Vondrona Afrikanina farany teo. Tsy nekena ny fanitsiana naroson’Ingahy Simao mikasika ny tondrozotra satria tsy mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitr’ireo filoham-panjakana mpikambana ao amin’ny SADC tany Sandton. Io no rafitra faratampony eo anivon’ny SADC. Raha te hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena isika izany dia tsy maintsy manaraka ny torolalana tany Sandton. Anjarantsika amin’izay izany no mitady ny hevitra rehetra hampiharana izany eto amintsika. Tojo amin’ilay fanirian’ny mpanao politika maro hoe dinika eo amin’ny samy Malagasy ny vahaolana. Tsy sanatria voaozona i Madagasikara ka tsy afaka hamarana izao olana lavareny izao. Io no fototry ny Antso.
T.T : Koa raha izany, dia ahoana izany no lalana tokony hizorana hahatongavana amin’ny tanjona izany ?
F.R.A : Dingana telo no aroso. Ny faneken’ny rehetra fa iny fanapahan-kevitra tany Sandton iny no tsy maintsy hizorana. Hampitoviana ny fomba fandikana sy fandraisana ny hevitr’izany torolalana izany eo amin’ny samy mpanao politika. Rehefa izay dia miara-midinika ny amin’ny hamadihana azy ho azo hampiharina ka ho
T.T : Dia iza avy ary no antoko, na ankolafy na vondrona politika voakasik’izany ?
F.R.A : Mazava ny tapaka tany Sandton. Tondrozotra asiam-panitsiana no hampiharina. Roa farafahakeliny ny tovana tokony hatao : ny fanamboarana ny andrim-panjakana sy ny famelàna an’ireo nitsoa-ponenana tany ivelany handray anjara feno amin’ny fiainana ara-politika eto Madagasikara. Misy ny pitsopitsony tokony hojerena akaiky kanefa tsy ho vita izany raha tsy misy ny fifampiresahana sy finiavana ary ny fifanatonana eo amin’ireo vondrona politika 11 nantsoina tany
T.T : Koa raha tsy manaiky ny fitondrana ankehitriny, satria efa hita mazava izao fa ny fifidianana no imasoany ?
F.R.A : Misy tokoa ny alaim-panahy hikarakara ny firosoana amin’ny fifidianana. Raha amin’izao endriny ankehitriny izao, tsy ho vahaolana izany satria hiteraka tsy fitovian-kevitra hampikorontana indray aoriana kely. Sady tsy hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Tafiditra tamin’ny Antso nataoko ny fiarahamonim-pirenena, ny foloalindahy, ny Fiangonana, ny mpandraharaha, ny sendika ary ny vahoaka. Aoka ny rehetra no hanery ny mpanao politika hifanaraka ka hanao sonia izay fifanarahana eken’ny rehetra dia ny vahoaka sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
T.T : Ianao tokoa no nanao ny Antso. Tsy misy fiantraikany amin’ny fiarahanao miasa amin’ny Ankolafy misy anao ve izany ?
F.R.A : Ny famaranana ny olana iainantsika ankehitriny dia famonjena sy fanavotana an’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy. Tsy maintsy misy ny ezaka manokana atao ka hibanjinana ny tombontsoan’ny maro. Rehefa tsy hisy ny hifandefitra dia tsy maintsy misy ny maneho izany amin’ny alalan’ny asa. Raha manaiky tokoa ny fifanatonana ireo vondrona politika voalaza ireo, ka hanao ny fifanarahana ho amin’ny fampiharana ny tondrozotra miaraka amin’ny tovana, dia raisiko ho adidy sy andraikitra no maka ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany, mba hahalavorary ny fifanarahana.
T.T : Aiza ho aiza ary izao ny dingana efa vitanao ?
F.R.A : Efa tafahoana tamin’ny atsasak’ireo vondrona politika ny tenako. Misy amin’ireo raiamandreny filoham-piangonana, ny miaramila sy mpandraharaha no efa nisy nanaiky ny fihaonana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.