Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Nanangana antoko RDS


  • Talata 15 Janoary 2013

Mandeha irery ankehitriny i Fetison Rakoto Andrianirina raha nialokaloka tanaty antoko sy vondrona politika hatramin’izay.

 Mitsangana ankehitriny ny "Renouveau pour la Démocratie Sociale" (RDS), antoko tarihiny. Nijoro ny 03 janoary 2013 teo, araka ny fampitam-baovao naparitak’ity antoko ity omaly, ary dia hampanjaka ny demokrasia mitandro sy manaja ny maha olona no anisan’ny antom-piasiany. Misy fotoana mipoitra dia avy eo tsy hita izay i Fetison Rakoto Andrianirina, ara-politika. Nalaza ary natanjaka ny Arema tany amin’ny taona 80, dia efa mba nanandrana tamin’ny politika izy. Taty amin’ny taona 2007, anefa no nanomboka namantarana azy, izy rahateo dia voafidy ho mpanolotsaim-paritra Analamanga tamin’ny lisitra natolotry ny Tiako i Madagasikara.

Lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana izy rehefa raikitra ny dinika famahana ny krizy. Taorian’ny Maputo dia filoha mpiara-mitantana ny tetezamita, niaraka tamin’ny Dr Emmanuel Rakotovahiny izy, rafitra izay tsy nety tafajoro mihitsy. Nampidirin’ny FAT am-ponja niaraka tamin’i Zafilahy Stanislas sy pastera Tsarahame Edouard izy taorian’ny hetsiky ny mpanohitra teo amin’ny Malacam Antanimena, ary nihitsoka tany nandritra ny efa-bolana teo. Tao amin’ny antoko PSD no nandrenesana farany an’i Fetison Rakoto Andrianirina. Efa-bolana izy no nitarika vonjimaika ity antoko naorin’i Philibert Tsiranana ity, saingy nametra-pialana tsy ho mpitarika io antoko io izy nandritra ny kongresy nasionaly nataon’ny PSD tany Antsohihy tamin’ny volana desambra 2012, dia izao nanangana ny RDS izao izy sady manamarika ny fidirany an-tsehatra amin’ny raharaha politika indray amin’ity taona 2013 ity.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT