Politique

Fetison Rakoto Andrianirina : Ho vita tsy ho ela ny tolona


  • Alakamisy 04 Novambra 2010


“Tsy safidintsika io volavolan-dalàmpanorenana io, tsy nanontaniana akory isika hoe ahoana no hitondrana ny firenena ? Tsy nisy solontenantsika ka dia heverina ho toy ny tsy misy izany fitsapan-kevi-bahoaka izany”, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina. Tsy ekena io, hoy izy nanizingizina ka tsy ilaina ny fisiany. Fifanarahana tsy neken’ny rehetra, tsy marim-pototra no niteraka izany referendaoma izany, hoy ihany ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity. Fantatra, araka ny fanazavany, fa manomboka amin’io herinandro ho avy io dia hitsangana ihany koa ny faritra rehetra hanohitra io fitsapan-kevi-bahoaka io. Manomboka amin’io heriandro ho avy io dia hifamotoana in-2 isa-kerinandro eny amin’ny kianjan’i Malacam ireo mpanara-dia ny ankolafy 3. Momba izay fanehoan-kevitra izay moa dia nilaza i Fetison Rakoto Andrianirina fa “tsy hamelana raha tsy azo ny kianjan’Ambohijatovo”. Efa an-dalana ny fangatahana amin’izany, araka ny fanazavany ihany. Mila fahasahiana ny fijoroana, hoy izy, satria tsy azo omena laka ireo mpandroba. Nampanantena moa ny tenany fa tsy ho ela dia ho vita izao tolona izao. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT