«Hitady vahaolana no nisian’ny fifampiresahana hatramin’izay na teto na tany ivelany ka noho izany tokony hisy lalana hahafahana hivoaka amin’ity krizy ity eto amintsika», hoy Atoa Fetison Rakoto Andrianirina nandritra ny valandresaka notanterahany omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy.
Izany indrindra, hoy izy, no nanolorako tena hirotsaka ho mpanelanelana ireo vondrona politika eto amintsika, ka nialako tao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nifampiresahako tamin’ny filoha Ravalomanana mihitsy izany, hoy izy, ary nangata-tsodrano toy ny fanaon’ny zanaka amin’ny ray aman-dreny mihitsy aho. Nidera ny ezaka nataon’ireo vondrona samihafa niezaka nanao fanelanelanana sy fampivondronana ny olom-pirenena ny tenany tamin’io fotoana io. Hatreto, hoy ny nambarany, dia vondrona politika iray ihany amin’ireo 11 voaasa tany
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.